Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Politika : Tsy mila mpanelanelana vahiny fa mitady kosa ny volany

La gazette de la grande île
30/01/202654 second read

Eo anatrehan’ny fanovana takian’ny vahoaka malagasy ankehitriny dia mitovy ny fomba fijerin’ny ankamaroan’ireo mpanao politika sy ireo olona mpanaraka ny raharaham-pirenena fa tsy mila baikon’ny komity iraisam-pirenena ny malagasy. Milaza ireo komity iraisam-pirenena sy ny firenena vahiny maro fa ataony mazava ny lalan-kizorana amin’izao tetezamita izao. Ny fitondrana tokony hanaraka ny ara-dalàna hoy izy ireo ka hanana tondrozotra mazava ny tetezamita ankehitriny.
Hatrany amin’ny mpitarika politika sy ny fitondrana dia samy milaza avokoa fa raharahan’ ny malagasy ity ka tsy tokony hidiran’ny vahiny. Aoka izahay ihany no handamina ny raharaha anay Malagasy fa tsy mila vahiny izahay.
Tonga teto ny iraky ny vondrona Eoropeana sy ny Sadec ary ireo Frantsay izay isan’ny akaiky ny malagasy hatramin’izay. Tonga teto ny Rosianina sy ny Sinoa izay ankolafin-kery hafa koa dia izany ihany no resaka eo ambavan’ ny mpanao politika.
Na izany na tsy izany anefa dia miandrandra fanampiana ara-bola amin’ireo firenena ireo ny mpitondra ankehitriny. Tokony hazava tsara ny politika ivelany an’i Madagasikara fa tsy vitan’izao ny raharaham-pirenena. Milaza tsy tia vahiny nefa ny mitalaho ny volany sy ny fanampiana avy amin’izy ireo.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top