Nahafaty olona 4 indray ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ireo fiara fitareram-bahoaka sy ny sarety omaly. Fiara fitateram-bahoaka ao amin’ny zotra 144 no tapaka hisatra ka nifatratra tany amin’ny sarety sy mpivarotra amoron-dala tetsy Mascar Andravoahangy.
Lafiny 3 miteraka olona lava no voakasika eto : Fiara Fitateram-bahoaka – Sarety – Mpivarotra amoron-dalana.
Andrasana hisy maty foana ve vao hamafisina ny fampiharana lalàna manoloana ireny fiara efa rodana, tsy manaraka ny fenitra ireny intsony, fa mahazo « certificat d’aptitude » foana rehefa manao visite technique satria mandoa vola ?
Andrasana hisy maty foana vao ampiharina amin’ireny sarety tsy misy « jiro », mandeha amin’ny ora rehetra ary tsy manaraka ny lalàn’ny fifamoivohizana ireny ny lalàna ?
Andrasana hisy ho faty foana vao alamina ny fivarotana eny amoron-dalana izay mibahana ny arabe sy ny trottoir ka manesika ny olona hidin anaty arabe ?
Mahafaty io kolikoly ataonareo isaky ny antanan-tohatra io. Izay mandoa vola kely dia mahazo manao izay tiany dia izao, matimaty foana ny olona.






