Mafy be ny tsindry politika ataon’ireo mpitady toerana amin’ny fitondrana tetezamita ny fanavaozana tarihin’ny colonel Michael Randrianirina izao.
Niarahana nahita ny ady seza eo amin’ny TIM izay tarihin’ny Ravalomanana Marc sy ny depiote Fidel Razarapiera amin’ny hitantanana an’Antananarivo ka haratsiana izay tsy izy Clémence filohan’ny faritra vonjimaika. Tadiavin’ny TIM hoa izy II toerana io.
Ny taranaky ny faritra Mahajanga tamin’ny alalan’ny fikambanana fa mangataka minisitra efatra ao amin’ny governemanta io ry zareo. Manana endrika fampitahorana ny fandrahonana ny fanambarana nataon’izy ireo tao amin’ny TVM ny faran’ny herinandro.
Tezitra ihany koa ny raiamandreny any Fianarantsoa fa olona avy any Ambositra sy Manakara avokoa no apetraka ho tale any ankehitriny fa angaha hono tsy manana olona intsony i Matsiatra Ambony?
Tsy izany ihany fa tsy faly koa ireo olona nitolona tao Manakara fa olona nanamavo ny tolona iny indray no voatendry amin’izao fanavaozana izao. Mbola zava-doza noho ny teo aloha no misy.
Ny tao Farafangana moa dia iny niarahana nahita iny fa talem-paritra efatra mianadahy notendrena tsy ampy iray volana no voatery noesorina indray nohon’ny tsy fahafalian’ny mpitolona sy ny vahoaka tany an-toerana.
Marobe ny resaka mandeha satria dia fantatra izao fa hatramin’ny GenZ izay nanao ity tolona ho amin’ny FANAVAOZANA ity no manomboka tsy faly.
Fitondrana tetezamita ny fanavaozana Mihamafy ny tsindry ataon’ireo mpitady toerana
La gazette de la grande île
02/02/2026•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5728441
Your IP Address: 216.73.216.255
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





