Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Governemantan’ny Fanavaozana Nahazo « moyenne » avokoa ka mijanona amin’ny toerany.

La gazette de la grande île
04/02/20262 minute read

Araka ny nolazain’ny Colonel Michael Randrianirina tamin’ny fanendrena ireo minisitra ao amin’ny governemantan’ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo tamin’ny 28 Oktobra 2025, dia hanaovana tombana ao anatin’ny roa volana izy 29 mianadahy izay voatendry ho minisitra ireo ka izay tsy mahomby dia hoesorina avy hatrany fa maika ny fanjakana Fanavaozana. Koa efa mihoatra iray volana izao ny fe-potoana roa volana io ka mbola tsy isy ihany ilay tombana na fitsara ny asa vitan’izy ireo. Ny 28 desambra 2025 izany no nandrasana nefa tsy nisy. Dia midika ve izany fa mahafa-po sy araka ny ilaina azy ny asan’ireo minisitra ireo?
Raha izao fandehan’ny asan’ny governemanta izao no tsaraina dia zara raha folo sisa no mba hita fa miasa araka ny fitakiana teny an-dalana sy ny tolona nataon’ny GenZ izao sy ny vahoaka malagasy mitaky fanovana.
Aiza ilay fitsarana na ny tombana nataonao Colonel Rakotomamonjy satria ianao ihany no nilaza izany fa afaka roa volana dia hoesorina izay tsy mahomby. Save nahazo « moyenne » avokoa ireo minisitra ireo? Ny mpitazana avy aty ivelany anefa dia mahita fa maro ireo minisitra no tsy mahasahana ny asany mihitsy. Tsy azo antoka ny hahavita io asa nampiandraiketina azy io na ho 10 taona eo izy. Sao dia ny Praiminisitra koa no tsy mahasahana ny andraikitra nankinina aminy satria dia tompon’andraikitra feno amin’izao koa izy izay nanendry azy ireo ka tokony hamoaka ny fomba fahitanao azy ianao Colonel Michael Randrianirina satria hianao ihany no tena fantatry ny vahoaka raha toa ka tsy mahomby ny fanavaozana ity. Hatramin’ny tetiandro ny fihaonambem-pirenena aza hatramin’izao tsy mbola fantatrin’ny vahoaka na amin’ity taona ity na amin’ny 2027.
Aoka hitazona ny teny nomena fa izany no maha filoha sy mpitarika fa tady ho kivy ny vahoaka.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top