Fanavaozana ny Repoblika dia safidin’ny vahoaka Malagasy
Ny fandraisana anjara ny Malagasy rehetra , ny fiarovana ny zon’izy ireo no lalana hahafahan’ny vanim-potoana ankehitriny ho safidy manan-tantara, ka tsy ho mpijery fotsiny i Madagasikara amin’ny zava-miseo eo anivon’izao tontolo izao, fa ho mpilalao mavitrika amin’ny tantarany.
Zava-dehibe ny mahatakatra ny toe-draharaha iraisam-pirenena sy ny eto an-toerana mba hahafahan’ity fitondrana ho any “Refondation” ity manompo marina ny vahoaka malagasy.
Miatrika vanim-potoana manan-tantara tsy manam-paharoa i Madagasikara. Ankehitriny. Taorian’ny hetsika lehibe nataon’ny vahoaka Malagasy tamin’ny 2025, ny firenena dia eo amin’ny vanim-potoanan’ny fifindrana tantana, tarihin’ny fitondrana miaramila, izay hanomana ny fanavaozana ny Repoblika. Ity fotoana ity, tsy mbola nisy teo amin’ny tantara faramparany, dia manome safidy hanova lalina ny firenena, nefa koa mitondra loza mety hitranga amin’ny fitondrana tsy refesi-mandidy.
Ny Krizy maneran-tany dia miteraka tsindry eo amin’i Madagasikara
Efa miaina krizy lalina ny rafitra kapitalisma ( Systeme Capitaliste) maneran-tany ary nitombo be ny fiantraikany izany amin’izao fotoana izao: resaka vola foana, fifehezana ny vola amin’ny toekarena mamokatra, fitangoronam-bola be loatra amin’ny vondrona na olona vitsy, fiparitahan’ny tsy fitoviana: maro no mia mahantra ary mia vitsy ny mana-katao, krizy ara-tontolo iainana ary fifaninanana henjana eo amin’ny firenena mantajaka sy lehibe eo fiarovana ny tombotsoany. Ireo zava-mitranga ireo dia miteraka tranganà politika roa lehibe: Voalohany: ny “néofascisme”, fitondrana tsy refesi-mandidy eo amin’ny firenena, ary faharoa: ny “néo-impérialisme”, izay mampiditra ny firenena mahantra ho miankina tanteraka amin’ireo firenenna matanjaka amin’ny lafiny ara-toekarena sy politika.
Ankehitriny, hita manerana izao tontolo izao ireo fiovana ireo: mihena ny fahafahan’ny olona mifidy sy maneho hevitra ohatra, any Etazonia sy any Europa, mitombo ny olona mitady hifehy ny hafa amin’ny hery sy ny fitsarana tsy rariny, voafetra ny fahalalahana, ary mihamafana ny fifaninanana sy ny ady eo amin’ny firenena lehibe. Tamin’ny taona 2025 ary mbola mitozy ankehitriny, ny sehatra iraisam-pirenena dia voamariky ny hetsika miaramila tany “Moyen orient”, izay nandraisan’ny Etazonia, Israely ary mpilalao hafa anjara, izany dia maneho ny “néo-impérialisme” mifototra amin’ny herin’ny toekarena sy ny stratejia, fa tsy amin’ny fanjanahantany ( conolisation) mahazatra.
Madagasikara mbola eo ambany tsindry avy any ivelany na ny “néo-impérialisme”vaovao
Tsy afaka manalavitra ireo fiantraikany maneran-tany i Madagasikara satria mbola miankina betsaka amin’ny famatsiam-bola iraisam-pirenena sy ny rafitra ara-bola maneran-tany ny firenena. Ity fiankinan-doha ivelany ara-bola ity dia maneho mazava ny “néo-impérialisme” vaovao ara-toekarena: manitsy ny politikany ny fanjakana malagasy eo ambanin’ny tsindrin’ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena, ka voafetra ny fahaleovantenany ara-toekarena sy politika.
Ankoatra izany, marefo ny Fanjakana, ny rafitry ny toekarena nasionaly: fitrandrahana tafahoatra ny harena voajanahary, fahantrana maharitra, fahalemena eo amin’ny indostria ary fanilikilihana ny mponina ambanivohitra. Amin’ izao toe-javatra izao, misy ny fahatsapana fahalianana hitondra fitondrana hentitra , tsy refesi-mandidy na tsy misy fahalalahana. Rehefa tsy hita ho mpiaro ny vahoaka intsony ny fanjakana fa ho fitaovana hiarovan’ny tombontsoa manokana na vahiny, dia mety hiseho ny fitondrana tsy rariny sy manery ny olona, na dia ny fitondrana tetezamita no misy.
Ny Fanavaozana dia andraikitry ny vahoaka
Mitondra safidy manan-tantara ny vanim-potoana andalovan’ny Madagasikara amin’izao fotoana izao. Tsy azo atao hoe fanovana fitondrana tsotra na fanatsarana ara-teknika fotsiny ny fanavaozana ny Repoblika Malagasy. Tokony ho lalina izy io ary mifantoka amin’ireto tanjona ireto:
- Fahaleovantena tena izy, ara-toekarena, politika ary ara-tsakafo;
- Rariny sosialy, hampihenana ny tsy fitoviana ary hiarovana ny marefo indrindra;
- Fiarovana ny harena voajanahary, lova iombonana ho an’ny vahoaka malagasy;
- Fanjakana demokratika sy tompon’andraikitra, mahay mifehy ny tombontsoa manokana ary miaro ny olom-pirenena;
- Fandraisana anjara mavitrika amin’ny olom-pirenena, miaraka amin’ny anjara andraikitry ny tanora, ny mpiasa, ny tantsaha ary ny vehivavy amin’ny fananganana ny hoavin’ny firenena.
Tsy avy amin’ny fahefana napetraka fotsiny no hiseho io fanovana io fa tena miankina amin’ny vahoaka malagasy izay tsy maintsy mahay mamerina ny tantarany ho eo ampelatanany, mitaky mangarahara, rariny ary fiarovana ny zony.
Noho izany, ny vahoaka no foiben’ny tantara
Miatrika lalan-danja lehibe i Madagasikara. Marefo ny vanim-potoanana ankehitriny, saingy mety ho fotoana manan-tantara raha miara-mikarakara, mahalala sy mandray anjara mavitrika ny vahoaka.
Ny fanavaozana ny Repoblika dia tsy ny fananganana indray ireo rafitra fotsiny: izany dia famerenana ny fahefana amin’ny vahoaka, fiantohana ny fahamendrehany, fiarovana ny harena ary fiantohana ny hoaviny. Ny olom-pirenena malagasy rehetra, tanora sy antitra, tantsaha na mpiasa, lehilahy na vehivavy, dia manana andraikitra.
Ny fandraisana anjara, ny fiarovana ny zon’izy ireo no lalana hahafahan’ny vanim-potoana ankehitriny ho safidy manan-tantara, ka tsy ho mpijery fotsiny i Madagasikara amin’izao tontolo izao, fa ho mpilalao mavitrika amin’ny tantarany.
Zaza Ramandimbiarison





