Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Polisy sy Zandary : ataon’ny mpitatitra tsinotsinona

La gazette de la grande île
07/02/202649 second read

Tsy misy fanajàna ireo mpitandro ny filaminana misahana ny fifamoivohizana intsony ny mpitatitra. Ny antony voalohany, dia izy ireo efa voavidy amin’ny tsolotra madinika isanandro.

1.000ar, 2.000ar,3.000ar dia mandeha. Mandoha avokoa na ny fiara fitateram-bahoaka, na ny mpitatitra fasika, na ny mpitaona entana na ireo taxi bisikileta sy sarety.

1.000ar dia azo atao izay tiana hoy ity mpitondra fiara karetsaka iray tetsy Ampasika. 2.000ar dia azo hijanonana izay tiana hijanonana hoy ity mpitondra taxi-be mampitohy an’Ambohidratrimo.

Tsy misy mpitatitra mihaino ireo polisy eny an-dalana. Endrika fotsiny sisa iny fanamihana iny, fa ny hajany efa very. Eo imason’ny polisy no manala sy maka olona tsy ara-dalàna ny taxi-be satria tsy mahateny intsony ietsy farany izay mandray kolikoly isanandro. Lasa fihantsonana ny « rond-point », toy ny etsy amin’ny lalam-baovao Andranotapahina izay mampidi-doza ny mpampiasa ny lalana. Tsy misy manaja ny toerana voatokana intsony.

Ao anatin’izany rehetra izany dia ireo mpanjifa no voa mafy. Miaritra, mizaka ny vokatry ny kolikoly efa lalim-paka.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top