Fantatra izao fa tamin’ny halalan’ny sambo mpitondra omby makany Mayotte no nahafahan’i Naina Andriantsitohaina nitsoaka an’i Madagasikara tamin’ny volana novambra 2025. Io sambo io izay mitondra entana ahondrana avy aty Madagasikara entina amidy any Mayotte . Tao anaty lakaly fasiana omby no nisitrika i Naina sy Vehivavy iray araka ny tatitra voaray avy amin’ireo ta-tsambo. Voalaza fa manana endrika mitovy amin’i Brigitte Razaka io vehivavy niaraka nioson-tay tamin’i Naina io. Mbola eo andala panamarinana izany vaovao izany izahay.
Ra ny fantatra mazava sy voamarina aloha dia i Naina Andriantsitohaina io nisitrika tao anaty lakaly fasiana omby io. Avy ao Mayotte kosa izy dia afaka miampita ankalalahana makany Frantsa. Izany no fomba nahafahany nitsoaka an’i Madagasikara rehefa nahazo « IST » na Interdiction de Sotie du territoire.






