Eto Madagasikara, toa azon’ny vitsy monja ny fanjakana, ary ny maro no mijaly. Mitombo ny tsy fitoviana ary sarotra ny feon’ny vahoaka hihainoana. Ao anatin’ity toe-draharaha ity, ny andraikitry Frantsa ara-tantara sy ankehitriny dia matetika resahina eo amin’ny hevitry ny besinimaro. Izany Andraikitra izay mazana mitongilana sy tsy aradrariny dia iray amin’ireo antony mitazona ny tsy fandanjalanjana sy fampaorina ny Malagasy Maro an’isa.
Ny toe-javatra nisy farany ary mety ho ita ato ho ato, dia eo ny fanendrena Praiminisitra ary Nanamafy ity fahatsapana ity. Ny vaovao miparitaka amin’ny tambajotra sosialy dia manondro fa mety nisy tanan’ ny Frantsa tamin’ny fisafidianana ity toerana manan-danja ity, ka mahatonga ny maro hahatsapa fa tsy eo ambany fifehezan’ny vahoaka ny fanapahan-kevitra politika lehibe ary manome tombony ho an’ny vitsy monja fotsiny.
Tsy resaka hamarana ny fifandraisana izany, fa kosa hamerenana amin’ny laoniny sy handanjalanjana azy. Ny fiaraha-miasa dia tokony hahasoa ny vahoaka malagasy, hanampy amin’ny fananganana rafi-panjakana mangarahara sy matanjaka, fa tsy hanamafy ny tombontsoan’ny vitsy monja.
Ny fahaleovantena sy ny rariny no tokony hitarika ny politika iraisam-pirenena. Ankehitriny, Madagasikara manana fotoana hamolavola indray ny fiaraha-miasa amin’ny tontolo ivelany, mba hahazoan’ny maro anjara amin’ny fanapahan-kevitra mamolavola ny hoaviny.
Ny fifandraisana ara-drariny sy tompon’andraikitra amin’i Frantsa dia afaka ho fitaovana lehibe hanavaozana ny fanjakana sy hanamafisana ny fiadanam-bahoaka.
“Ny vahoaka malagasy dia manana zo handray anjara amin’ny fanapahan-kevitra rehetra mamolavola ny hoaviny. Raha tsy izany, ny tsy fandanjalanjana sy ny tombontsoa ho an’ny vitsy monja ihany no hitohy.”





