Isan’ny fitondrana nahazo tombony ny fitondrana Fanavaozana ity satria tsy misy mpanohitra mihitsy . Ny mpomba ny filoha teo aloha Andry Rajoelina sy Mamy Ravatomanga no saika mba hanohitra teo nefa nangina tanteraka ankehitriny. Ny olana amin’io fitondrana io dia ny tsy fitoviam-pijery ao anatiny ka samy mitondra amin’ny saim-pantany avokoa. Tonga hatrany amin’ny ady an-trano aza ny raharaha raha ny fahitana azy avy ety ivelany. Tsy izany ihany fa mamoaka ny tsiambaratelo ao amin’ny fitondrana koa ireo mpiara-miasa amin’ny Filoham-panjakana Michael Randrianirina, izay zavatra tsy fahita loatra amin’ny fitondrana tia ny nitranga tamin’ny fahitalavitra ny faran’ny herinandro teo. Matetika koa no ahenoana ady an-trano ao anatin’io fitondrana io.
Voatendry ny Praiminisitra vaovao ka asa na ho afaka hamaha izany olana izany izy fa raha ny zava-misy teto Madagasikara dia ny ady an-trano ity no naharava azy ireny hatramin’ny repoblika voalohany ka hatramin’izao. Mba todiho ihany ny tantara fa ahitana lesona izy ireny.
Raharaham-pirenena : Aza miady an-trano fa tsy misy mpanohitra intsony izao
La gazette de la grande île
18/03/2026•45 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5639437
Your IP Address: 198.57.247.195
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





