Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Afaka mifidy minisitra amin’ny “détecteur de mensonge” ve? Hevitra tsara sa fandrebirebena fotsiny?

La gazette de la grande île
19/03/20262 minute read

Amin’izao fotoana itadiavana fanavaozana ny fanjakana izao dia mitady vahaolana haingana ny maro. 

Ampiasa  ny “détecteur de mensonge” hisafidianana minisitra ny fitondrana . Vahaolana ve izany?

Tsotra ny valiny: tsy vahaolana io.

Io fitaovana io dia tsy mahita “lainga”. Ny refesiny dia fitepon’ny fo, tahotra, na fientanentanana. Midika izany fa:

  • olona marina nefa matahotra dia mety ho lazaina ho mandainga
  • olona zatra miteny na mahafehy tena dia afaka mandalo mora foana

Ka noho izany, tsy azo itokisana ho fototra hanapahana hevitra lehibe izy. Tandremo Sao  lasa adikan’ny olona ho fandrebirebena. Hiseho ho toy ny hoe hentitra sy madio ny rafitra, nefa ny tena marina tsy miova ny olana fototra.

Ny fanontaniana tokony hapetraka dia tsy hoe:
“Iza no mandainga?” Fa hoe: “Ahoana no hananganana rafitra tsy ahafahan’ny olona mandainga sy tsy voasazy?”

Ho an’i Madagasikara, fantatra ny olana:

  • malemy ny fanaraha-maso
  • tsy ampy ny mangarahara
  • tsy voasazy haingana ny tsy mety

Tsy misy “machine” afaka manamboatra izany.

Inona ary no tokony hatao?

  • Jereo lalina ny olona hotendrena (tantara, laza, fananana)
  • Atao mangarahara ny fanambaram-pananana (alohan’ny sy aorian’ny andraikitra)
  • Asiana tanjona mazava ny minisitra, ary araha-maso tsy tapaka ny vokatra
  • Hamafisina ny rafitra mpanara-maso sy ny ady amin’ny kolikoly.

Raha tena refondation no tadiavina, tsy mila fitaovana mampiahiahy isika, fa mila rafitra mazava sy hentitra.

Ny fahendrena dia tsy miankina amin’ny “machine”, fa manangana fanjakana izay manasazy  ireo mpandainga sy mpangalatra izay hita.

Izay no tena fanovana.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top