Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Governemanta Rajaonarison Mamitiana : Aza mamita- bahoaka fa izay hahavitana ny fihaonambem-pirenena atao

La gazette de la grande île
24/03/202650 second read

Rehefa tafatsangana ny governemanta vaovao izay hiaraka amin’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana dia aoka tsy hilaza resaka fampandrosoana izany mihitsy fa famitaham-bahoaka izany. Tsy misy tetikasam-panjakana sy fampandrosoana vita ao anatin’ny efa-bolana na iray taona na roa taona izany. Koa miangavy anareo mba hilaza ny marina. Ny fanatanterahana ny fihaonambem-pirenena no andraikitra ho tanterahana ao anatin’ny fitondrana Fanavaozana ity fa tsy fampandrosoana izany velively. Fampandehanana ny raharaham-panjakana mba tsy ho tapaka no andrasana aminareo dia ampy izay. Io ilay antsoina hoe « gestion des affaires courantes ». Ny ankoatran’io resaka adala sy fandrebirebena saim-bahoaka ary resabe fotsiny ihany.
Aoka koa mba tsy ny filazana any amin’ny facebook  » sy ny » réseaux sociaux  » no hibaiko ny fitondram-panjakana izay hita fa mahazo laka ankehitriny. Ny hahavitana ny fihaonambem-pirenena araka ny tena izy no tokony hilofosan’ny fitondrana Fanavaozana tarihan’ny colonel Michaël Randrianirina ity. Manahy mafy ny tsy handehanan’izany araka ny tokony ho izy ny malagasy ankehitriny. Lasa ady lahy politika sy ady toerana ary ady an-trano no hita avy aty ivelany ankehitriny.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top