Eto Madagasikara, manan-danja ny ariary tsirairay. Ny sekoly tsy vita, ny hopitaly tsy ampy fitaovana, ny lalana simba dia mampahatsiahy antsika zavatra iray: firenena mahantra isika, voafetra ny harenantsika.
Kanefa…
Ny tatitry ny “Cour des comptes “momba ny fitatanana tao amin’ny “Fonds souverain malagasy “dia mampiseho zava-misy hafa mihintsy: fitantanana tsy mazava, tsy mifanaraka amin’ny tanjon’ny “Fonds” ary mampiahiahy ny fitatanana ny volam-bahoaka tao nandritra ny fitondrana teo aloha.
Mazava ny zavatra hitan’ny “Cour des comptes”. Misy fanodinkodinam-bolam-bahoaka ny dikany.
. Famoahana renivola tsy mazava
. Famindrana vola be avy amin’ny Banque Centrale de Madagascar ho any amin’ny banky tsy miankina
. Fandaniana tsy mifanaraka amin’ny tanjon’ny tahirim-bola
. Fandoavam-bola tsy mazava, indrindra ho an’ny AFG Assurance
. Tsy fisian’ny tatitra ara-bola mazava
Manoloana izany zavatra tsy rariny sy maloto dia maloto nataon’ireo tompondraikitra teo aloha ireo dia ilaina tsy misy atakandro ny :
- Hafantarana mazava ireo tompon’andraikitra rehetra, tsy misy ankanavaka
- Atomboka ny fanenjehana ara-pitsarana
- Haverin’izy ireo amin’ny fanjakana ny vola very
Ny “Fonds souverain malagasy “ dia tokony ho natao hiaro ny fiandrianam-pirenena. Kanefa, nivadika ho fitaovana miafina hanompoana tombontsoa manokana any ireo tamin’ny fitondrana teo aloha.
Ho an’ny fanavaozana, mazava ny safidy :
Ny Rariny, ny mangarahara ary ny fanavaozana.
Tsy maintsy hampiarina ny sazy ary tsy maintsy havaozina tanteraka io “Fonds souverain malagasy “
Masina ny Tanindrazana.





