Omaly alarobia faha 25 martsa 2026 no tafatsangana ny governemanta izay tarihin’ny Praiministra vaovao Rajaonarison Mamitiana. 13/29 ihany no vaovao tamin’izany fa ny teo aloha ihany no niverina. Isan’ny tsy faly amin’ny fanendrena ity ny mpiasan’ny fampianarana sy ireo mpampianatra izay nitady olona avy amin’ny fanabeazana ka naneho ny tsy fahafaliany. Toa izany koa ny mpiasan’ny fahasalamana izay tsy mankasitraka ny famerenana ny minisitra teo aloha. Ny fikambanana avy any amin’ny faritra izay mbola nieritreritra ny hitazona ny zanany ihany koa dia maro no diso fanantenana..
Na inona na inona kajikajy izay ataon’ireo mpanao politika dia ny mpitondra firenena sy ny mpitady toerana ary ireo fikambana isan-karazany dia tsy maintsy hisy indray ny fanovana amin’ny governemanta rehefa vita ny fihaonambem-pirenena afaka efa-bolana raha ela indrindra. Na mety na tsy mety ny fomba fijerin’ny olona tsirairay dia tsy azo idifiana izany. Ny tsy azo ataon’ny mpitondra dia ny fandaingana ka hilaza fa hitondra fandrosoana amin’izao vanim-potoana izao satria rafitra tetezamita no iainan’ny firenena malagasy amin’izao fotoana izao.
Governemanta faharoa ny fanavaozana : Afaka efa-bolana dia hosoloina indray raha ela indrindra
La gazette de la grande île
27/03/2026•48 second read

Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5705741
Your IP Address: 216.73.217.61
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





