Aoka ny fitiavan-tanindrazana tsy ho teny fotsiny, fa ho asa sy fanapahan-kevitra hendry sy marina tsy mitongilana. Hanompo ny firenena, hiady amin’ny tsy rariny, ary hanangana Madagasikara mendrika ny sorona nataon’ireo razantsika.
Ny 29 Martsa 1947 dia daty iray tsy azo hadinoina ho an’ny Malagasy. Andro fahatsiarovana ny tolona sy ny fahafoizan-tenan’ireo razantsika ho an’ny fahafahana sy ny hasin’ny firenena. Saingy tsy tokony hijanona ho fahatsiarovana fotsiny izany, fa tokony ho fotoana iray hanontaniantsika tena hoe: inona no tena dikan’ny fitiavan-tanindrazana ankehitriny?
Amin’izao fotoan-tsarotra iainan’ny firenena izao, dia hita fa tsy ampy ny fanovana lalàna sy rafitra fotsiny. Mila fanovana toe-tsaina sy soatoavina koa isika. Ny fitiavan-tanindrazana marina dia tsy teny fotsiny, fa asa sy andraikitra. Midika izany fa ny tombontsoan’ny firenena sy ny vahoaka no apetraka ambony noho ny tombontsoa manokana. Mampalahelo fa matetika ny mpitondra dia voafehin’ireo manambola, ka mahatonga ny 80 isan-jato mahery amin’ny Malagasy ho mahantra.
Ny fitiavan-tanindrazana marina dia miseho amin’ny:
- fanajana ny maha-olona rehetra,
- fikatsahana ny rariny sy ny fahamarinana,
- fahavononana hanompo ny firenena amin’ny fahitsiana ary mijery ny tombotsoa ny Malagasy tsy ankanavaka.
Ary tsy mifanaraka amin’izany velively ny:
- kolikoly sy fanararaotam-pahefana,
- fitiavan-tena sy fizarazarana,
- fitondrana tsy miraharaha ny vahoaka.
Raha tena tia tanindrazana isika, dia tsy afaka mijery fotsiny ny olana misy, fa tsy maintsy mandray andraikitra — na mpitondra na olom-pirenena. Ny fahefana dia tsy tokony ho fitaovana hanjakazakana, fa tokony ho fanompoana ny firenena.
Ny firenena maharitra dia miorina amin’ny fahamarinana, ny fitokisana ary ny firaisankina. Ary ireo rehetra ireo dia vokatr’ilay fitiavan-tanindrazana tena izy.
Amin’ity 29 Martsa ity, aoka isika tsy hijanona amin’ny fahatsiarovana, fa hanavao ny fanoloran-tenantsika ho an’i Madagasikara.





