Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Tetibola fanitsiana… sa tetibola miafina ?

La gazette de la grande île
10/04/20262 minute read

Milaza ny governemanta ankehitriny fa hisy lalàna fanitsiana tetibola sy fivoriana tsy ara-potoana ao amin’ny Antenimieram-pirenena.

Fa amin’izao vanim-potoanan’ny “Refondation” izao, misy zavatra iray tokony holazaina mazava: maro loatra ny tetibola tsy hita maso.

Manodidina ny 24 miliara ariary ny tetibolan’ny Fanjakana Malagasy ankehitriny. Vola avy amin’ny hetran’ny vahoaka. Vola tokony hananganana firenena. Vola tokony hitondra fanantenana.

Amin’ny taratasy dia mazava daholo: laharam-pahamehana, tetikasa, mazava ny vola nokasaina sy natokana hanaovana ny zavatra iray sns.


Fa amin’ny zava-misy sy hita rehefa mampihatra an’io tetibola io kosa dia izao:

— Misy ampahany amin’ny tetibola tsy tanteraka akory.
— Misy miliara voatokana, nefa tsy hita taratra ny vokany.
— Misy vola mivezivezy ivelan’ny rafitra ofisialy.
— Ary misy mihitsy aza vola very, tsy fantatra mazava izay nalehany.

Tsy tranga vitsy izany. Tsy hadisoana tsotra izany, fa fomba amam-panao eo amin’ny fitantanana ny volam-bahoaka sy ny rafitra mihitsy no olana.

Rafitra iray izay tsy mitondra ny vola any amin’ny tokony halehany, mamela ny tsy fahampiana hitohy, manasarotra ny fahitana ny tena zava-misy, ary mamela ny tsy rariny hitohy foana.

Amin’izany, ny tsy fahampiana sy ny tsy rariny dia tsy kisendrasendra intsony, fa vokatry ny rafitra mihitsy.

Raha tena misy marina ny Refondation, dia eto no tokony hanombohany:
— atao mazava hoe aiza marina ny vola mipetraka sy ampiasaina
— inona avy ny tena vokatra azo
— iza no tompon’andraikitra amin’ny fanatanterahana
— ary aiza ho aiza ny mangarahara amin’ny fampiasana ny tetibola

Tokony ho fantatry ny Malagasy amin’ny antsipiriany izany, fa tsy ho voasarona amin’ny fanambarana ankapobeny.
Satria tsy misy fanovana marina raha mbola misy “vola miafina”, indrindra eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ireo andrim-panjakana rehetra.

Ary ny dingana voalohany amin’ny tena fanovana mankany amin’ny “Refondation” dia tsotra: ny fahasahiana mampiseho sy mijery ny marina, indrindra indrindra eo amin’ny fampiasana ny volam-panjakana.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top