Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Ny adin’ny samy Malagasy, ny hafa no mandray tombony.

La gazette de la grande île
13/04/20263 minute read

Miverina indray ny resaka “fisaraham-bazana” hoe “Merina sy Côtier” eny amin’ny tambajotra sosialy, eny amin’ny resaka eny amin’ny rehetra ireny ary indraindray aza dia any anatin’ny  biraom-panjakana. Tandremo anefa, aza diso fahavalo isika !

Io fisarahana io dia efa nanimba ary mety manimba mafy mafy koakoa ny firaisam-pirenena, sady mampiala ny saintsika amin’ny tena olana lehibe: ny fitantanana ny firenena sy ny fampandrosoana ho any Malagasy rehetra.

Mandritra izany tontolo fisaraham-bazana izany dia misy ireo mpisehatra ara-toekarena avy amin’ny fiaviana samihafa, toy ireo teratany Karana sy vahiny, nahazo tombony be tamin’ity fisarahana ity sy ny fahalemena ara-drafitra izay nisy nandritra ny taona maro.

Ny vokany dia hita poko hita-pirenena: ireo olona ireo dia lasa manan-karena foana hatrany, ny zanany mahazo fianarana tsara foana, ary noho ny herin’ny vola eo am-pelatanany dia vao mainka mitombo ny fifehezany ny olom-panjakana hiaro ny tombontsoany.

Noho izany, mila ajanona ity poizina ity: ny fifandirana hoe “Merina sy Côtier”. Fomba fisainana navelan’ny tantara taloha sy ny vanim-potoanan’ny fanjanahantany izy io, nampiasaina hifehezana sy hizarazara ny Malagasy. Raha variana amin’ny adin’ny samy Malagasy, dia tadidio fa ny hafa no mandray tombony.

Amin’izao taonjato faha-21 izao, tsy tokony ho resaka foko na faritra intsony ny adihevitra momba ny fahefana eto Madagasikara, ary aza adino ny zavatra hita nisy sy marina: misy olona avy amin’ny faritra rehetra foana teto Madagasikara tao amin’ny andrim-panjakana hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantena: Filoham-pirenena, Praiminisitra, Antenimiera, Sénat, HCC, Sekretera jeneraly, Tale jeneraly, lehiben’ny sampan-draharaha, mpitsara, sy ny maro hafa.

Ny tena olana dia rafitra: hatramin’ny nahazoana fahaleovantena dia mifantoka be loatra ao Antananarivo ny fitondrana :

  • Ao Antananarivo no misy ny minisiteran’ny fanjakana rehetra
  • Ao Antananarivo  no misy ny sekoly ambony sy fiofanana (ohatra ENAM)
  • Ao Antananarivo  no anaovana ny fanapahan-kevitra lehibe
  • Ary ao Antananarivo  koa no manomboka ny fandrosoan’ny asa amin’ny fanjakana

Noho izany dia lasa mora kokoa ny mahazo toerana ambony ho an’izay :

  • mipetraka ao Antananarivo, na avy aiza na avy aiza ,  na Merina na Cotier
  • mianatra sy miasa ao an-drenivohitra Antananarivo 
  • manana tambajotra sy fifandraisana amin’ny olom-panjakana sy ny sisa ao Antananarivo 

Ireo dia mampiseo fa tsy olana foko izany no misy eto amin ‘ity Tanindrazana iombonana ity fa olana rafitra sy fomba fitantanana.

Noho izany, tokony hifantoka amin’ny fanavaozana ny fanjakana sy tena fanapariaham-pahefana isika, fa tsy hifanditra amin’ny fizarazarana eo amin’ny samy Malagasy izay volen’ny hafa hitsinjovany ny tombotsoany.

“Izay mitambatra vato, izay misaraka fasika.”

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top