Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Ny lalana tsara eo amin’ny fiainana.

La gazette de la grande île
14/04/20262 minute read

Tanora malagasy : ny fahakingana no lakilen’ny fanavaozana

Mandeha ankehitriny ny fikaonandoham-pirenena ho an’ny tanora izay totosaina eny amin’ny CCI IVATO ary mandeha koa ny pi-maso amin’ireo tanora voaasa manokana hanatrika izany ataon’ ireo lehiben’antoko…

Eo amin’ny fotoana manapa-kevitra i Madagasikara. Resahana ny “fanavaozana”, fa fanontaniana tokana no tena ilaina : iza no hanova ny firenena Malagasy? Ny valiny dia mazava : ny tanora Malagasy rehetra fa tsy izay voaasa manokana fotsiny

Fatatra ny zava-misy  izay tsy mora : tsy ampy asa, betsaka ny sakana, ary maro no very fanantenana. Lasa mahazatra ny hoe :“rehefa misy…”, “andraso aloha…”. “Miandry izay politika ny fanjakana….   Fa mazava ny marina : ny fiandrasana no mampijanona antsika.

Tsy misy fanavaozana ho vita amin’ny tanora miandry. Mila tanora mailaka, sahy, ary mihetsika.

Ny tanora mahavita manova firenena dia :

  • mahay miova arakaraka ny zava-misy ka mandroso foana
  • mahita vahaolana na dia kely aza ny fitaovana mba hirosoana
  • sahy manomboka, tsy miandry fotoana tonga lafatra vao manomboka mandroso

Ankehitriny, tsy ampy intsony ny sekoly. Eo ny internet. Eo ny traikefa tsara mety ho azo avy ireo zoky. Eo ny olona afaka hianarana. Ny toe-tsaina tokony ho raisina dia : “Tsy mijanona mianatra aho.”

Fa tsarovy : tsy ampy ny mianatra — mila mihetsika. Ajanony ny fiandrasana :

  • Aza miandry asa ho tolorana
  • Aza miandry fanampiana vao mihetsika
  • Aza miandry politika hiova vao hanomboka
  • Aza miandry pi-maso avy amin’ireo lehiben’antoko…vao anao zavatra mahasoa

Ny toe-tsaina vaovao tokony hananana dia : “Manomboka izao aho.”

Manomboka izao aho dia  :

  • miasa na dia kely aza
  • mianatra fahaiza-manao
  • manampy ny manodidina

Aleo mihetsika tsy lavorary toy izay miandry lavorary.

Ary ambonin’izany rehetra izany : mandà ny  ho kivy. Eny, misy ny fahantrana. Eny, misy ny kolikoly. Eny misy ny mptidondra fanjakana izay tsy mijery ny tombotsoan’ ny maro….
Fa tsy antony hijanonana izany.  Ny tanora matanjaka tsy kivy, tsy manaiky ho resin’ny zava-misy.

Anjarantsika tanora ankehitriny ny manova an’i Madagasikara — tsy hijery fotsiny, fa hanao.

Ny fanavaozana tena izy dia manomboka amin’ny tanora tsirairay :

  • fifehezantena
  • finiavana hianatra isan’andro
  • fahasahiana mihetsika

Fehiny : Tsy ny hoe “hiova ve ny firenena ?” no fanontaniana hapetraka , fa hoe : “Vonona hiova ve isika tanora ?”

Satria ny firenena miova dia avy amin’ny tanora mianatra foana , avy amin’ny tanora tsy miandry ary farany dia avy amin’ny tanora sahy mihetsika

Ny fanavaozana dia tsy rahampitso. Manomboka ANIO.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top