Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Tandremo ihany ity famafazana lainga tsara lahatra ity!

La gazette de la grande île
17/04/202659 second read

Tandremo ny lainga, fa mitondra loza ho an’ny firenena indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny “refondation “ izao.

Tandremo! Rehefa manjaka ny lainga dia tsy ny fahamarinana ihany no potika, fa ny fahalalahan-tsaina mihitsy.

Raha tsy misy vaovao azo itokisana, dia mora voafehin’ny fitondrana ny sain’ny vahoaka. Ahoana no hananan’ny olom-pirenena hevitra mazava raha tsy mahazo vaovao marina izy?

Ny loza lehibe indrindra amin’ny lainga mitohy dia tsy hoe mino azy ny olona, fa hoe tonga amin’ny fotoana tsy inoany intsony na inona na inona izy. Rehefa izany no mitranga, very ny fahafahana mieritreritra, mandinika ary mitsara.

Aza adino ny tantara: ny fitondrana mandainga dia voatery manova tantara isan’andro. Ny vokatr’izany dia vahoaka very fanondro, very lalana.

Vahoaka tsy mino na inona na inona dia vahoaka mora fehezina. Tsy afaka mihetsika, tsy afaka misaina. Izany ve no tanjona? Enga anie ka ho tsia.

Amin’izao vanim-potoanan’ny refondation izao, ny fahamarinana no tokony ho fototra. Raha lainga no manjaka, dia tsy fanorenana no atao, fa fandravana.

Koa aoka isika ho mailo: manontany, mandinika, ary tsy manaiky ho voafitaky ny lainga tsara lahatra , tsy manaiky ho voafitaky ny teny mamy sy fampanantenana poakaty.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top