Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Madagasikara: raha ny zava misy no jerena  dia tsy mbola firenena iray isika nefa te hiseho amin’izao tontolo izao!

La gazette de la grande île
27/04/20262 minute read

Resaka “fisokafana amin’ny any ivelany” foana no re… nefa isika ato anatiny aza mbola vakivaky tanteraka. Tsy mifandray ny faritra, tsy mitovy vintana ny olona, ary maro no mbola tavela any aoriana .

Rehefa tsy mahavita mampiray ny vahoaka ny fitondrana, amin’ny toe-draraha misy amin’izao fotoana izao dia inona no vokany? Mihenjana ny fahefana, betsaka ny faneriterena, ary lasa kabary fiarovana sisa no heno. Tsy herin’ny fanjakana izany, fa fahalemeny.

Ny tena olana tsy ny “fanatontoloana” na ny fisokafana amin’ny any ivelany akory. Fa isika miditra amin’izany nefa tsy mbola nanorina fototra akory: tsy misy tsena anatiny mirindra, tsy mifandray araka ny tokony ho izy ny faritra, ary tsy mitovy ny fahafahana ho an’ny rehetra.

Ny vokany efa fantatry ny rehetra: Vitsy ny Malagasy misitraka any izany fandrosoana izany; Maro no tavela an-damosina;  ary  Mitombo foana ny elanelana sy ny tsy fitoviana

Ary rehefa mitohy izany dia miteraka zavatra mampidi-doza kokoa: fisaratsarahana ara-tsosialy, ara-toerana, indraindray aza ara-pirazanana. Tsy kisendrasendra izany, fa vokatry ny tsy fahombiazan’ny fanjakana mampiray ny Malagasy rehetra.

Aleo hazava tsara ny laharam-pahamehana:

Tsy ny miseho any ivelany fotsiny na ny fikatsahana vola no tokony hatao aloha. Ny tena ilaina maika dia ny fananganana an’i Madagasikara ho firenena iray miray sy matanjaka ao anatiny.

  1. Amboary ny lalana
  2. Ampifandraiso ny faritra rehetra
  3. Ataovy mitovy ny vintana ho an’ny rehetra, na avy aiza na avy aiza (Avaratra, Atsimo, Atsinanana, Andrefana)
  4. Ampiroborobo ny fifanakalozana ara-barotra ato anatiny

Raha mbola marefo ao anatiny Madagasikara , tsy hisy lanjany mihitsy Madagasikara any ivelany.

Tsy krizin’ny fampandrosoana fotsiny izao…
fa krizin’ny firaisankina mihitsy. Ary raha tsy atrehiantsika mivantana izany, dia ho kabary foana ny ambiny rehetra.

 

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top