Andry Nirina Rajoelina, Ntsay Christian izay Praiminisitra teo aloha, ireo minisitra nitsoaka any ivelany tonga an’i Naina Andriatsitohaina…
Ny alarobia faha 29 aprily 2026, tamin’ny fametrahana ny galonan’ny mpandraharahan’ny fonja izay nahazo ny galona “inspecteur général de l’administration pénitentiaire” miisa 13 mianadahy na « général de division » , sy ny fametrahana ny tale jeneralin’ny vaovao ny fandraharahana ny fonja tetsy amin’ny kianja be ny Mahamasina no nilazan’ny minisitrin’ny fitsarana Fanirisoa Erinaivo fa efa miditra amin’ny dingana fisamborana ireo mpitondra teo aloha rehetra ka nangalatra sy nanodikodina volam-panjakana ny fitondrana Fanavaozana amin’izao fotoana izao. Na any Dobay na any Frantsa na any Eropa sy Amerika no iafenan’izy ireo dia efa misy fiaraha-miasa amin’irep firenena ireo amin’izao fotoana izao.
Mahakasika ny raharaha Colonel Patrick sy ny fanonganam-panjakana izay itazonana azy sy ireo namany dia mbola mitohy hatrany ny famotorana ary mbola misy olona hafa tadiavina koa. Marihina fa misy ny tanora izay nampiasain’ireo olona voalaza fa mpanongam-panjakana ireo dia nandray fanampahan-kevitra ny fitsarana fa harahi-maso ara-pitsarana izy ireny. Ny fotsivolo izay nanakarama azy ireo dia efa eny amin’ny fonjan’ny Tsiafahy. Mbola mandeha ny fanadihadiana mahakasika ny vola izay aparitaka amin’izany amin’izao fotoana izao.
Voalazan’ny minisitra ity koa fa manomboka ny fanadihadiana mahakasika ny volamena nivadika vy tao amin’ny ministeran’ny harena ankibon’ny tany izay mahakasika ny Praiminisitra teo aloha Ntsay Christian.
Dia miandry ny fivoaran’ny toe-draharaha ireo ny mpanara-baovao. Enganie ka mba tsy maty ankaranany avokoa ireo.





