Samy mandrirotra izay saim-pantany avokoa ny Herivelona rehetra eto amin’ny firenena. Ny sendikan’ny mpiasa isan-karazany dia samy milaza izay mba fantany avokoa. Ny fisondrotan-karama no tena takiany amin’izany. Ny polisy ny zandary, ny miaramila dia mivorivory avokoa. Milaza fa hitondra fanavaozana na fanovana avokoa izy ireo.
Ny fiarahamonim-pirenena dia tsy mitsahatra mivory koa ka mitondra ny fahitany ny raharaham-pirenena ity izany koa.
Ary ny antoko politika dia efa hita fa miady amin’ny fametrahana lalàmpanorenana vaovao ka mizara telo mazava ny fomba fijerin’ireo. Ny iray voalohany dia miady mafy ny mbola hanaovana fanjakana tokana na » etat unitaire « . Ny faharoa dia miady ny hananganana fanjakana mizakatena isam-paritra ary ny iray farany dia mitaky fitondrana federaly.
Izy rehetra ireo dia samy tsy misy mazava amin’ny vahoaka malgasy avokoa satria samy manana ny fahalalany sy ny fandraisany azy. Tena tsy ampy fanazavana sy fanentanana ny vahoaka ka maro no tsy miraharaha intsony izany fihaonambem-pirenena izany.
Raha ny fahitanay ny fihaonambem-pirenena ity dia mbola tsy hitondra vaha olana hoan’ny firenena ny fomba itondrana azy amin’izao fotoana izao io. Tsy mazava ny tena tiana hahatongavan’ny fitondrana Fanavaozana izao.
Fihaonambem-pirenena : Samy mandeha samy mitady ny herivelona rehetra
La gazette de la grande île
29/04/2026•54 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5684757
Your IP Address: 92.184.136.220
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





