Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Madagasikara : miandry asa sy vahaolana mivaingana ny Malagasy maro an’isa!

La gazette de la grande île
18/05/20262 minute read

Amin’izao fotoan-tsarotra iainan’i Madagasikara izao, na eo amin’ny lafiny sosialy, toekarena na politika, dia nametraka hafatry ny Eveka katolika izay niantso firaisankina, fahatsiarovan-tena ary fanantenana ho an’ny firenena. Mbola misy miheno  ireo manana andraikitra arampanjakana?

Rehefa misy krizy dia mahazatra ny fiangonana sy ireo mpitondra fivavahana no mampahatsiahy ny olona ny maha-zava-dehibe ny fihavanana, ny fahamarinana ary ny firaisam-pirenena. Ary marina fa tsy misy olona manohitra izany.

Saingy ankehitriny, maro amin’ny Malagasy no manomboka mametraka fanontaniana tsotra nefa lehibe :
mbola kabary sy teny ihany ve no ilain’ny firenena, sa efa tena mila asa sy vahaolana mivaingana hitan’ny vahoaka maso ?

Satria reraka ny Malagasy.

Ny zavatra hitan’ny vahoaka isan’andro  dia

  • mitombo ny fahantrana,
  • very fanantenana ny tanora,
  • tsy ampy ny fotodrafitrasa,
  • miverimberina foana ny olana politika,
  • ary mbola sahirana mamorona asa sy fahafahana ho an’ny olona ny toekarena.

Noho izany, Mia maro ireo Malagasy no very fanantenana mihitsy satria toa lasa teny miverimberina fotsiny ny hoe :
“firaisankina”, “fanantenana”, “fahatsiarovan-tena”,
nefa tsy tena hitan’ny vahoaka hoe aiza ny vahaolana tena mivaingana.

Maro ny olona no manontany :
aiza izay tena asa hita maso ?

Ao anatin’izao resaka fanorenana sy fanavaozana an’i Madagasikara izao, dia maro ny Malagasy no maniry mba ho lasa akaiky kokoa ny fiainan’ny olona ny hafatra sy ny fandraisan’andraikitry ny mpitondra fivavahana.

Satria rehefa be loatra ny fampitandremana sy ny tsikera ankolaka atao amin’ny rafitra misy, dia misy olona mahatsapa fa lasa toy ny manome lesona fotsiny, nefa tsy hita mazava izay fomba azo hanampiana marina ny firenena hivoatra.

Ankehitriny anefa, tonga amin’ny fotoana iray i Madagasikara izay tena andrasan’ny Malagasy zavatra hafa :
asa,
fandaminana,
famoronana asa ho an’ny tanora,
fanohanana ny tantsaha,
fanabeazana tsara,
ary hetsika tena mitondra vokatra ho an’ny vahoaka.

Ary tsy ny fiangonana ihany no voakasik’izany.

Ny fanontaniana lehibe dia izao :
ahoana no hahatonga ireo andrim-panjakana sy ireo hery rehetra eto amin’ny firenena ho tena hery mampandroso an’i Madagasikara ?

“Refondation “ hoe. Tsy te hihaino fanazavana momba ny olana intsony ny vahoaka Malagasy. Ny tena andrasany ny Malagasy maro an’isa dia ireo olona ambony sy manana andraikitra eto amin’ny firenena — na mpanao politika, na mpitondra fivavahana, na mpandraharaha, na olona nahita fianarana — mba tena hiara-hiasa hitady sy hanangana vahaolana maharitra hanatsarana ny fiainan’ny Malagasy sy ny hoavin’i Madagasikara.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top