Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fihaonambem-pirenena : Tsy mahalala izany ny any amin’ny faritra maro

La gazette de la grande île
19/05/20262 minute read

Raha vao miala eto Antananarivo renivohitra dia tsy misy miresaka izany fihaonambem-pirenena izany mihitsy. Raha ny any ambanivohitra aza dia milaza fa tsy mahalala izany velively. Mazava ho azy izany fa raharahan’ny eto amin’ny renivohitra ihany ity raharaha ity.
Tsy misy ny fanentanana, tsy misy ny filazana, tsy misy na inona na inona hatramin’izao fa mbola avela ho maizina sy habadoana ny tambanivohitra. Ireo olom-boafidy sy mpiasam-panjakana any amin’ny distrika sy ny kaominina rehetra any dia samy milaza fa tsy mahalala izany fihaonambem-pirenena izany koa. Aiza ilay fandraisana anjara lazaina fa mianga avy any ifotony no fihaonambem-pirenena ity Tena voafitaka ny vahoaka. Tsy hita izay asan’ny ministeran’ny fanavaozana sy ny serasera. Ny voalaza anefa dia ny faha 3 Jona izao no hatao ity fihaonana ity. Inona no ilaina ireo ministera ireo. Tena tsy mahomby ireo fa tokony hiala amin’ny asany ireo minisitra roa ireo. Zava-doza ange izao fanabadoana atao ny fitondrana izao satria tsy omena fanazavana sy fanentanana ny vahoaka malagasy izao . Sao dia tsy fikaonandoham-pirenena handraisan’ny vahoaka malagasy izao hatao eto Madagasikara izao? Raha tena fanavaozana na fanovana marina no hatao eto dia tsy ho toa izao endriny misy ankehitriny izao no mitranga. Azo lazaina fa tsy ny malagasy manontolo no handray anjara amin’ny fihaonambem-pirenena ity fa ireo olona voafantina ihany sy ireo namana sy olom-bitsy voafidy hanao izay tiany hatao eto amin’ny firenena indray.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top