Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Depiote Naivo Raholidina Handray ny vokatry ny zavatra nataony

La gazette de la grande île
21/05/20260 second read

Noesorin’ny antenimieram-pirenena ny fepetra tsy ahazoan’ny fitsarana manao fanadihadiana depiote Naivo Raholidina amin’ny raharaha fangalarana tany sy fandratrana olona izay nataony ka nitorian’olona azy amin’ny tribonaly. Izany dia noho ny fangatahan’ny fitsarana azy, ka neken’ny birao maharitra tao amin’ny antenimieram-pirenena izany izay tarihin’ny filohany Siteny Randrianasoloniaiko ka nanaovany fanambarana tamin’ny mpanao gazety ny voalohany herinandro.
Be dia be ny fanamparam-pahefana nataon’i depiote Naivo Raholidina tamin’ny fitondrana Andry Nirina Rajoelina iny.
Mbola atao famotorana izy amin’izao fotoana izao ka andrasan’ny olona maro ny fanapahan-kevitrin’ ny fitsarana amin’ny raharaha ity. Niarahana nahita ny fieboeboana nataon’ity depiote ity fa tsy azo kitikitihina izy satria hono tanan-kavanan’ny filohampirenena Andry Nirina Rajoelina. Raha ny fisehony amin’ny fahitalavitra isan’andro dia ireny olona madio toa ny anjely ireny no fahitana azy. Miseho ankehitriny ny zavatra nafenina rehetra ka dia miandry izay ho tohiny ny malagasy maro.
Tiana ny manamarina fa tsy Naivo Raholidina irery no manana fitoriana any amin’ny fitsarana fa mbola ao koa i Lanto Rakotomanga. Miandry ny tohin’izao ny olona. Isan’ny andrasan’ny olona koa ny fisamborana an’i Naina Andriatsitohaina izay nandositra any am-pita. Isan’ny olona nanapotika zavatra maro teto amin’ny firenena izy. Hatramin’izao dia resabe fotsiny ny didy fampisamborana izay nataon’ny fitsarana malagasy Mahakadika azy.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top