Ny fitondrana “refondation” ankehitriny dia mitovy tanteraka amin’ilay fomba taloha tamin’ny andron’i Andry Rajoelina : copier-coller fotsiny ny stratégie.
Mampiasa “experts conseiller en communication”, ary mitovy tanteraka ny fomba fiasa :
mitabataba, manao provoquation, miteny mafy, mameno vaovao isan’andro, mameno radio, TV, Facebook, ary mandrakotra tanteraka ny sehatra fampahalalam-baovao rehetra.
Ny “jeu” dia iray ihany : mampiseho fa miasa sy tia vahoaka ny mpitondra.
Fa ao ambadik’izany tabataba sy “surcommunication” izany dia misy zava-dehibe tsy hita mazava :
– fahabangana ara-politika mazava hampandrosoana ny mpiray Tanindrazana
– tsy fahampian’ny vina maharitra sy mazava
– tsy fisian’ny politika tena ho an’ny tombontsoa iombonana
Rehefa lasa zava-dehibe kokoa ny “image “ ny mpitondra sy ny communication noho ny asa tena ataon’ny fanjakana, dia miova ho théâtre politique ny firenena.
Fampanokanana isan’andro, kabary lava, sary be dia be, fanambarana tsy mitsahatra… nefa ny olana tena iainan’ny vahoaka tsy mihetsika mihitsy.
Tsy azo afenina amin’ny “communication” ny fahantrana.
Tsy voavaha amin’ny “post Facebook” ny krizy ara-tsosialy.
Ary tsy ho voafitaka amin’ny sary sy kabary lava intsony ny vahoaka Malagasy.
Ary mbola mampalahelo kokoa : miliara ariary avy amin’ny volam-panjakana no laniana hanamboatra “image”, nefa ny tena laharam-pahamehana — fampianarana, asa, fahasalamana, fanjakana marina — mbola mijanona any ambadika any.
Izao zany raha fehezina ireo voalaza ireo:
Tsy refondation intsony raha ny “mise en scène” no manjaka eto amin’ny Firenena.
Firenena ve no aorina sa “spectacle politique” no amboarina?
Vahoaka ve no tompoina sa image ny mpitondra no karakaraina?
Aoka izay. Aoka izay.
Raha tena tompon’andraikitra dia avereno amin’ny laharam-pahamehana ny fahendrena sy ny fahaiza-mitantana ho an’ny tombontsoam-bahoaka. Izay ihany no lalana mankany amin’ny tena refondation.





