Nampiseho indray ny raharaha “TVM “ fa mbola marefo ny andrim-panjakana eto Madagasikara. Raha lalàna nolanian’ny Antenimieram-pirenena no ajanona na ahantona tampoka noho ny tsindry sy ny fanoheran’ny vahoaka, dia miteraka fanontaniana lehibe momba ny kalitaon’ny fandinihana sy ny fahamatoran’ny fanapahan-kevitra izany.
Tokony ho toerana hiarovana ny tombontsoam-bahoaka sy hanaraha-maso ny asan’ny mpanatanteraka ny Antenimieram-pirenena. Kanefa matetika dia hita fa maro amin’ireo lalàna lany no tsy voadinika lalina, ka ny sasany amin’ireo depiote aza no toa mahita ny votoatiny aorian’ny fankatoavana azy.
Ny vokatr’izany dia fitotongan’ny fitokisan’ny olom-pirenena ny andrim-panjakana. Tsy ampy ny fananana lalàna tsara soratra raha tsy hajaina sy ampiharina amim-pahamatorana.
Mila averina ny hasin’ny andrim-panjakana, hamafisina ny mangarahara sy ny tamberin’andraikitra, ary atao laharam-pahamehana ny tombontsoan’ny vahoaka fa tsy ny tombontsoan’olom-bitsy.
Raha tsy misy fanavaozana lalina amin’ny fomba fitantanana sy fanaovana politika, dia hitohy ny fahadisoam-panantenan’ny vahoaka ary hihalalina ny elanelana misy eo amin’ny mpitondra sy ny olom-pirenena.
Soa ihany fa ho avy ny “Concertation Nationale”. Enga anie izy io mba tsy ho sehatra fifampiresahana fotsiny, fa ho tena fotoana hametrahana fanavaozana lalina sy fanarenana ny firenena. Mila fiovana amin’ny fomba fanaovana politika isika, mba hanorenana andrim-panjakana matanjaka, tompon’andraikitra ary tena manompo ny vahoaka. Ny hoavin’i Madagasikara dia miankina amin’ny fahavononantsika hanitsy izay tsy nety sy hanorina rafitra mendrika ny taranaka ankehitriny sy ny taranaka ho avy.





