Very ny hafanam-po ny vahoaka malagasy izay niandrandra fanavaozana ka nivadika ho fanovana amin’izao fitondrana entin’ny colonel Michael Randrianirina izao.
Tsy ho tenenin-tsika intsony ny fahadisoam-panantenana tamin’ny daty izay hanaovana ity fihaonambem-pirenena ity. Tany amboalohany dia nolazaina fa ao anatin’ny roa volana dia ho tanterahina izany. Tapitra ny taona 2025 dia tsy nisy, fa hoe hatao ny volana martsa 2026 indray. Dia nihemotra ny volana jona 2026 indray ny raharaha. Rehefa tonga ny faha 3 Jiona 2026 dia nihemotra indray amin’ny andro manaraka mbola tsy fantatra . Ny fivoriana niarahana tamin’ny filohan’ny FFKM sy ny fitondrana no natao ny andron’ny 3 jiona na efa nisy aza ny olona tonga avy any amin’ny faritany hamonjy izany araka ny fanasana nomena azy ireny.
Hita fa misy disadisa isan-karazany amin’ny fanatanterahana ity fihaonam-be ity. Tsy misy tetiandro mazava intsony fa toa izay tian’ny fitondrana atao. Fantatra koa ankehitriny fa misy olana eo anivon’ny samy mpitondra. Ady mangatsiaka ao anatiny no manakoako aty ivelany. Ny tsy fahatokisan’ny vahoaka maro ny FFKM samy irery hitantana ity fihaonambem-pirenena ity mbola manginy fotsiny. Raha mandeha any amin’ny faritra maro manerana an’i Madagasikara dia hita fa tsy miraharaha izany fihaonambem-pirenena izany intsony ny olona. Raha misy fivoriana tarihin’ny fitondrana indray dia olona voafidy no asaina amin’izany ary lazaina izy ireny fa solotenan’ny vahoaka nefa dia tsy mahasolo azy velively izany.
Raha ny fahitana ny raharaha ity dia diso fanantenana ny vahoaka. Tsy misy zavatra mazava ka lasa mampihena ny faharisihana ho amin’ny fanovana na ny fanavaozana izay tanjona entin’ny mpitondra ankehitriny. Maro no mieritreritra fa hihitatra lava ity fitondrana Fanavaozana ity fa tsy ho vita ao anatin’ny 24 volana izany.
Fihaonambem-pirenena Very ny hafanam-po ny vahoaka
La gazette de la grande île
18/06/2026•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5739695
Your IP Address: 88.161.255.134
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





