Manentana mafy ny olom-pirenena handoa hetra ny fanjakana, ary isan’ireo lohalaharana amin’izany ireo Solombavambahoaka. Tsara izany. Saingy aoka izay ny « ronono an-tavy ».
Tsy kabary sy fampanantenana no andrasan’ny vahoaka, fa vokatra hita maso eo amin’ny fiainany andavanandro.
Raha tena tiana handoa hetra amim-pahatokisana ny olom-pirenena, dia tsy maintsy tsapan’izy ireo fa miverina amin’ny endrika tolotra sy fampandrosoana mivantana izany vola aloany izany.
Anisan’ny andrasan’ny vahoaka:
• Fitantanana tsara sy mahomby eny ifotony, indrindra any amin’ny Faritra sy ny Kaominina. Tsy azo ekena raha mandoa hetra trano ny mponina any amin’ny faritra, nefa alefa any amin’ny foibe ny vola ka tsy hita taratra eo amin’ny fiarahamonina misy azy ny tamberiny.
• Lalana tsara sy azo aleha. Mividy solika lafo ny Malagasy ary mandoa hetra sy sara isan-karazany ho an’ny fotodrafitrasa, nefa mbola lalana simba sy feno lavaka no sedraina isan’andro.
• Jiro sy rano maharitra sy azo antoka. Miakatra ny sara aloa, nefa mbola matetika ny fahatapahan-jiro sy rano.
• Fitsaboana mora sy manara-penitra, azon’ny rehetra idirana.
• Vidi-piainana mirary sy mahavelona.
• Fifandraisana sy internet mora ary manara-penitra.
• Filaminana sy fandriampahalemana. Tsy tokony hatahotra ny hody alina ny olom-pirenena. Any ambanivohitra aza, rehefa mitaraina ny Ben’ny Tanàna noho ny tsy fandriampahalemana, dia matetika no lazaina fa tsy ampy ny fitaovana, ny tetibola na ny mpitandro filaminana.
Tsy ny fampitomboana ny tombontsoa sy ny vola raisin’ny depiote sy ny manampahefana vitsivitsy no tokony ho laharam-pahamehana. Mbola isan’ireo firenena mahantra indrindra eran-tany i Madagasikara, ary manodidina ny 80%-n’ny mponina no mbola miaina anaty fahantrana.
.Tsy tokony ho laharam-pahamehana koa ny fanomezana carburant, crédit téléphonique ary tombontsoa maro samihafa ho an’ny mpitondra, raha mbola tsy voavaha ireo olana fototra iainan’ny vahoaka.
Toy izany koa, tokony hojerena akaiky ny fanitarana rafitra sy andraikitra mandany volam-panjakana, raha tsy hita mazava ny vokatra sy ny lanja entiny ho an’ny firenena.
Rehefa hitan’ny vahoaka mivantana eo amin’ny fiainany andavanandro ny vokatry ny hetra aloany, dia handoa izany amim-pahatokisana sy amim-pahavononana izy.
Ny hetra dia tsy tokony ho vesatra fotsiny, fa fifanarahana mazava eo amin’ny fanjakana sy ny olom-pirenena: mandoa ny vahoaka, manome tolotra sy vokatra manara-penitra ny fanjakana.
Izay ary izay ihany no tokony ho làlana ijoroan’ny Refondation.





