Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Aoka isika hiteny sy handray anjara amin’ny fanavaozana ny Fitsarana eto Madagasikara

La gazette de la grande île
01/07/20262 minute read

Ry Mpiray Tanindrazana malala,

Amin’izao anatanterahana ny Concertation Nationale izao dia fotoana manan-tantara ho antsika rehetra izao. Tsy tokony ho resaky ny mpanao politika sy ny manam-pahefana irery ny hoavin’ny firenena, fa tokony hivoaka avy amin’ny feon’ny vahoaka eny ifotony, manomboka any amin’ny Fokontany ka hatrany amin’ny sehatra nasionaly.

Anisan’ny olana lehibe mampitaraina ny Malagasy maro ankehitriny ny tsy fahatokisana ny fitsarana. Maro no mahatsapa fa tsy mitovy ny rariny ho an’ny rehetra, misy ny kolikoly, misy ny tsindry ara-politika, ary indraindray dia toa ny manana vola sy fahefana no mahazo tombony kokoa.

Raha tiantsika ny hanana firenena matanjaka sy mandroso dia tsy maintsy manana fitsarana atokisan’ny vahoaka isika.

Izany no antony anentananay ny Malagasy rehetra mba hampiditra ao anatin’ny adihevitra sy ny fanangonana hevitra eny amin’ny Fokontany sy ny Kaominina ireto fanavaozana lehibe ireto :

• Fitsarana tena mahaleo tena ka tsy iharan’ny tsindry ara-politika na ara-bola.

• Fisarahana mazava eo amin’ny fahefana politika sy ny asa fitsarana.

• Fanamafisana ny fahaleovantenan’ny Filankevitra Ambonin’ny Mpitsara mba hiarovana ny mpitsara sy ny fahamarinan’ny fanendrena azy ireo.

• Fahaleovantenan’ny Parquet mba tsy hisian’ny fanelingelenana ara-politika amin’ny fanenjehana heloka sy fanokafana raharaha.

• Fitsarana akaiky kokoa ny vahoaka amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fitsarana any amin’ny faritra rehetra.

• Fanendrena tompon’andraikitra mifototra amin’ny fahaiza-manao sy ny fahamendrehana fa tsy amin’ny fifandraisana na firehana politika.

• Mangarahara amin’ny fanapahan-kevitra sy ny fitantanana ny raharaha ara-pitsarana.

• Fampiasana ny teknolojia hampihenana ny kolikoly sy hanafainganana ny fitsarana.

Tsy fanavaozana ny fitsarana ihany no resahina eto. Ny tena tanjona dia ny hananganana firenena izay mitovy eo anatrehan’ny lalàna ny rehetra, na manam-bola na mahantra, na manam-pahefana na olon-tsotra.

Ny fitsarana atokisana no fototry ny fandriampahalemana, ny fampandrosoana ary ny fitokisan’ny olom-pirenena ny fanjakana.

Noho izany dia antso avo no atao aminareo rehetra :

Resaho eny amin’ny Fokontany, eny amin’ny Kaominina, eny amin’ny fikambanana, eny amin’ny toeram-piasana ary eny amin’ny fiarahamonina misy anareo ireo fanavaozana ireo.

Angataho mba ho tafiditra ao anatin’ny fehin-kevitra sy ny tolo-kevitra alefa any amin’ny ambaratonga ambony mandritra ny Concertation Nationale izy ireo.

Ny fanovana lehibe dia manomboka amin’ny feon’ny vahoaka.

Raha miray feo isika dia afaka manorina Fitsarana atokisana sy Repoblika matanjaka kokoa ho an’ny taranaka ankehitriny sy ny taranaka ho avy.

Anjarantsika rehetra ny miteny. Anjarantsika rehetra ny mandray andraikitra. Anjarantsika rehetra ny manangana an’i Madagasikara.

Mandraisa anjara. Ampitao ny hafatra. Arotsaho ny hevitrao.

Ho an’ny Fitsarana marina.
Ho an’ny Repoblika matanjaka.
Ho an’i Madagasikara.

Masina ny Tanindrazana

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top