Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Halatr’olona Efa hatramin’ny repoblika voalohany

La gazette de la grande île
10/07/20262 minute read

Tsy tamin’ny taona 2026 ity no nisy halatra olona sy kilonga teto Madagasikara fa hatramin’ny fanjanahantany Frantsay sy ny repoblika voalohany tamin’ny taona 1960. Mpangalara na mpakafo no niantsoana azy tamin’ny fotoana izany.
Ny taona 1972 ka hatramin’ny taona 1990 dia izany bibiolona na izany « bouregelene » izay biby sady olona no soavaly ny tapany. Izany no zavatra niainan’ny malagasy ary tena nambenana mafy ny ankizy.

Nanomboka ny taona 2001 ka hatramin’ny taona 2008 dia nalaza ny  » kidnapping » na ny fanaovana takalon’aina ka ny karana sy ny mpanam-bola no lasibatra tamin’izany. Ny tany ambanivohitra dia nisy ny antsoina hoe  » fira ambany » izay nataon’ny dahalo manerana an’i Madagasikara rehefa mangalatra omby izy ireny matetika. Tonga hatrany amin’ny fanafihana mitam-piadiana izany taty amin’ny taona 2018. Nalaza tamin’izany Ambatondrazaka, Tsaratanana, ka tonga hatraty Ankazobe sy Anjozorobe izany ary faritra maro koa.
Nampiavaka ny taona 2009 ka hatramin’ny taona 2015 teo ho eo dia nalaza ny fangalarana zaza varira ka izay nitohy ny taona 2026.
Dia izao mitohy amin’ny taona 2026 izao amin’ny fangalaran-jaza ny halatra olona eto Madagasikara. Tena mahagaga sy mahatalanjona ity raharaha ity. Hatramin’ny fangalarana taola-paty aza no misy eto Madagasikara nanomboka ny taona 2000 ka mbola iainana a hatramin’ny izao 2026 izao.

Ny mahagaga dia tsy nisy fanjakana afaka nanafoana azy ireo teto Madagasikara hatrin’izay.
Misy ny milaza fa halatra taova no ao ambadika izany. Ny sasany indray milaza fa misy mpanao sorona olombelona eto. Ny feo mandeha koa dia miteny fa fanakorontanana fitondram-panjakana no tena ao ambadik’izany. Hatramin’izao aloha dia tsy mbola nahitana vaha olona ity halatra olona ity. Mila mitandrina ny fitondram-panjakana fa ny zavatra toa izao no miitatra ka mitarika faharavan’ny fitondrana hatramin’izay.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top