Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Cour des Comptes Efa nanomboka tamin’ny taona 2000 ny fandaniana tsy an-drariny ny volam-panjakana

La gazette de la grande île
15/07/20262 minute read

Nisy fotoana teto Madagasikara dia tsy nisy ny fanarahanamaso sy ny fampiasana ny volam-panjakana izay natao ny « cour des comptes » ity. Nanomboka ny taona 2010 vao nanao ny fitsarana ampahibemaso ny fandaniana ny volam-panjakana indray ity sampan-draharaha ity Nanomboka tamin’izay ka hatramin’izao dia amin’arivony miliara isan-taona no voahodinkodina sy nangalarin ireo mpitondra ambony sy ny mpiasam-panjakana teto Madagasikara. Ny 4000 miliara ny taona 2025 ihany no toa nalaza be fa ny teo aloha dia tsy nasiana teny akory. Efa maro ny fanaovana tatitra nataon’ny La Gazette de la Grande Ile mahakasika azy io nanomboka ny taona 2010 saingy tsy noroharahana velively. Raha tena hijery ny antony fahandroana mahazo ity firenena ity isika dia avadiho ny tatitra sy ny fitsaran’ny fampiasana ny volam-panjakana nataon’ny « cour des comptes » dia ho gaga ianao fa ampitomboy 10 heny io nitranga tamin’ny taona 2025 io, izany hoe 4000×10=40 000 miliara ariary raha kely indrindra. Jereo ny antontanisa avoak’ity « cour des comptes  » amin’ny alalan’ny boky mirakitra izany dia hahita ianao fa fitondrana rehetra nanomboka ny taona 2000 ka hatramin’ny 2025 lasa teo iny dia nahitana kolikoly avolenta sy halatra volam-panjakana nataon’ireo mpitondra nifandimby teto amin’ny firenena ity. Raha tsorina dia hatramin’ny fitondrana Ravalomanana Marc, Andry Rajoelina sy Hery Rajaonarimampianina dia nahitana fanodikodinana volam-panjakana nampahantra ny firenena sy ny vahoaka malagasy toa izao.
Natsangana ny Bianco, ny Samifin, ary ny Hcj fa tsy nahavita ny asany araka ny tokony ho izy satria tsy nahitana mpitondra ambony izay fototry ny kolikoly nigadra na nanaovana fanadihadiana, na dia fantatra izao aza fa nangalatra tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Fantatra koa anefa fa ny lalàna mahakasika ireo sampan-draharaha ireo dia tsy ahazoany tena miady amin’ny kolikoly ity fa nataon’ny depiote sy ny senatera kitoatoa tanteraka.
Raha tena hiady amin’ny kolikoly sy ny fanodikodinam-bola mpanjaka amin’izao fanavaozana izao dia jerena hatramin’ny taona 2000 ny kolikoly sy ny halatra nataony mpitondra hatramin’izay ary ovaina tanteraka ny lalàna mahakasika ny, « cour des comptes « , ny Bianco, ny Samifin ary ny Hcj.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top