Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Raharaham-pirenena sy fanavaozana  Michael Randrianirina nidinika sy nivory tamin’ny filohan’ny mpanohitra

La gazette de la grande île
17/08/20262 minute read

Isan’ny nanaitra ny olona maro teto amin’ny firenena ny fihaonana nisy teo amin’ny filohan’ny fanavaoza ny colonel Michael Randrianirina sy ny filohan’ny mpanohitra ny depiote Milavonjy izay avy amin’ny antoko Irmar na isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina tany Ambovombe Androy ny faran’ny herinandro teo.
Tsotra ny fanazavana nentin’ny filohan’ny fanavaozana ny colonel Michael Randrianirina fa ny fiarahana toa izao dia tsy midika velively fa tsy mpanohitra intsony ny IRMAR.
Miteraka resabe eo amin’ny tontolo politika iny fihaonana iny toa ny fandraisan’ny olona sasany azy amin’ny lafiny ratsy. Toa ny fandraisany ireo mpanao politika izay efa naloan’ny vahoaka koa teo aloha sy ireo forongony izay mahabe resaka eto Madagasikara ankehitriny tamin’ny alalan’ny « accord politique ».
Zava-dehibe ny fihavanana eto firenena amin’ny fotoana mikorontana politika toa izao ka ilaina ny hevitry ny rehetra na dia mpanohitra aza. Ny fihaonambem-pirenena dia hoan’ny daholobe ka hamaritra ny hoavin’i Madagasikara indray.
Aoka ny fitsarana no hanameloka ireo mpangalatra, mpanao kolikoly, manapotika ny firenena fa ny fitantanana ny raharaham-pirenena kosa dia hoan’ny filohampirenena na ny filoham-panjakana. Ny vahoaka malagasy manontolo sy ireo izay mipetraka eto Madagasikara na tsara na ratsy, na adala na hendry ary na manankarena na mahantra, tsy misy azo ahilika.
Mahalala ny tokony hataony ny filohan’ny Fanavaozana ny Colonel Michael Randrianirina ka ho hitantsika eo ny tohiny fa avelao izy hitondra ny tetika fantany fa mety aloha fa izay ‘ô antom-pisiany eo.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top