Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Inty sy Nday

La gazette de la grande île
05/05/20233 minute read

Tsy maintsy rava ny fanjakana  nampigadra olona

Rehefa mitranga ny toe-draharaha toa ny famonjana ny PDG ny La Gazette de la grande Ile Lola Rasoamaharo ny sabotsy faha 24martsa 2023 teo, dia mampahatsiahy ny tantara nitranga teto amin’ny firenena htramin’ny taona 1960 izany. Matetika dia alohan’ny fifidianana hatrany ny fanagadrana ataon’ny fitondrana izay nitondra teto amin’ny firenena tamin’izany. Raharaha politika no fototr’izany rehetra izany sy fanaovan-gazety saingy navadika zavatra hafa avokoa.

Tamin’ny andron’i Philibert Tsiranana dia nogadraina ingahy André Resampa izay filoha lefitrin’ny repoblika tamin’ny volana aprily 1971. Izany dia noho ny ady an-trano tao amin’ny antoko PSD (parti social democrate). Ny taona 1972 dia rava ny fitondran’ingahy Philibert Tsiranana na dia nahazo vato 90% tamin’ny fifidianana aza izy.

Ny taona 1995 dia nosamborin’ingahy Zafy ALBERT izay filoham-pirenena tamin’izany fotoana izany ingahy José Andrianoelison na Josekely sy ny namany tao amin’ny fikambanana CERES. Isan’izany i Lola Rasoamaharo sy ny mpanao gazety Jesy Rabelaolao tao amin’ny RTV (radio tsioka vao) sy Rinah Rakotomanga (Matv) ary Noely Razafilahy (RTV) izay nikaro-baovao tamin’izany fotoana izany . Ny taona 1996 dia niongana ingahy Zafy Albert.

Ny taona 2001 dia nogadrain’i fitondran’ingahy Amiraly Didier Ratsiraka ingahy Voninahitra Jean Eugène tamin’ny raharaha “chèque sans provision”. Nosamborina teo Behoririka tao amin’ny hotel iray izy tamin’izany. isan’ny nanamborana azy koa ny filazany mahakasika ilay “pont flottant” tany Ivoloina Toamasina. Resaka politika fa navadika zavatra hafa no nisamborana tamin’izany, dia rava ny fanjakan’ingahy Ratsiraka ny 2001 na dia natanjaka be aza.

Ny taona 2009 dia nosamborin’ingahy Ravalomanana Marc  ingahy Robert  Razaka AREMA avy any Toliara, Pety Rakotoniana avy any Fianarantsoa izay filohan’ny antoko Tambatra, ny jeneraly Bôlô tamin’ny polisy. Dia rava koa ny fanjaakan’ingahy Ravalo taorian’izay.

Matetika dia ampitomboana ny fiampangana ireny olona ireny rehefa tonga eny amin’ny mpanao famotorana ary mazana fa baiko avy amin’ny mpitondra izany.

Tantara tsy azo kosehina amin’ny raharaham-politika teto Madagasikara ireny ary tsara handraisan’ny mpitondra lesona sy izay mieritreritra hitondra koa. 

Ankehitriny indray dia miseho ny fisamborana olona ataon’ity fitondrana ity ­(2021-2023).  Ny raharaha Apollo- 21, izay nigadran’ny jeneraly  Ramahatra sy ny jeneraly  Razakarimanana sy ireo miaramila frantsay roalahy dia  Paul Rafanoharana sy Marc Philippe François. Ankehitriny indray dia nosamborina indray ingahy Lola Rasoamaharo ny asabotsy teo. Miteraka resabe izany ary be no tsy faly. Santionany amin’ny olona nigadra izay mifandray amin’ny raharaham-pirenena ireo na mivantana na ankolaka.

Ny tantara no tsiahivina fa niongana avokoa ny fitondrana izay nampigadra olona toa ny nitranga teo aloha ireo.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top