Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fihaonambem-pirenena  Tena mipetraka ho Ray ny firenena marina ny colonel Michael Randrianirina

La gazette de la grande île
29/08/202653 second read

Nanao ny fivoriana faha telo mikasika ny fihaonambem-pirenena ny FFKM na ny fiombonambe ny fiangonana kristianina malagasy tamin’ny talata faha 25 Aogositra 2026 teo, tao amin’ny village Voara Andohatapenaka Antananarivo. Ny nahagaga ny mpanaraka ny toe-draharaha politika sy ny firenena dia ny tsy fanatrehan’ny filohan’ny fanavaozana izany ny colonel Michael Randrianirina. Marobe ny resaka mandeha eo anatrehan’izany. Ny azo antoka anefa dia ny fanomezany fahafahana sy fahalalana tanteraka ny mpikarakara sy ny vahoaka malagasy amin’ny safidy izay tiany amin’ny fanatanterahana ity fihaonambem-pirenena ity. Sambany vao nahitana izany teto Madagasikara hatramin’izay.
Moa ve hahay handray izany ny malagasy sy ny mpanao politika? Hahay hampiasa ny fahefana nomena azy ve ny FFKM eo anatrehan’izany? Nanomboka ny taona 1991 izay nikarakaran’ny FFKM ity ny fihaonambem-pirenena toa izao dia tsy naha vaha olana teto amin’ny firenena izy ireo. Inoana fa amin’ity indray mandeha ity dia tena vaha olana tena izy no entin’izy ireo ka tsy hiverimbrrrnan’ ny krizy toa izao intsony.
Miandrandra fanavaozana tena izy ny Malagasy ankehitriny.
Hatramin’ ny volana martsa 2027 no fotoana farany hahavitana izany fihaombempirenena izany araka ny tetiandro napetrakin’ny FFKM.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top