Nihena izay tsy izy ny lanjan’ny fampianarana malagasy amln’izao fotoana izao. Tsy tenenina intsony ny fidinan’ny lenta hoan’ireo mpianatra afaka bac. Isan-taona dia hita fa mitsongoloka amin’ny ny tany mihitsy ny fahaizan’ ny mpianatra afaka bakalorea. Sady tsy maha voafehy taranja siantifika no tsy havanana amin’ny taranja literera. Izany ny ankamaroan’ny mpianatra afaka bakalorea ankehitriny. Tena lohalikalika hoy ny fitenenana.
Manampy trotraka izany ny diplaoma zaraimpotsiny eny amin’ny oniversite « privée » mieli-patrana manerana ny Nosy. Diplaoma kadradraka no azo ilazana azy. Tena hita izao fa tsy mendrika ny hahazo licence ny mpianatra tokony homena izany.
Ny Master-1 sy ny Master-2 moa dia natao fafikatrana fotsiny. Toa ireny mizara bonbon ireny izany amin’izao fotoana izao.
Olona tsy ampy fahaizana no hitondra ny firenena rahampitso. Nopotehin’ny Ravalomanana Marc ny fampianarana teto Madagasikara nanomboka ny taona 2004 izay nanaovany ny antsoina hoe » zero redoublement ». Izany no teknisiana ny fampianarana ankehitriny fa sady dondona no vendrana. Potika tena potika ny hoavin’ny firenena noho izany. Diplaoma mitovy lenta hoan’ny rehetra no tokony havoakan’ny ministeran’ny fampianarana ambony raha toa ka tena hanao fanavaozana marina ny fitondrana Fanavaozana ankehitriny.
Oniversite tsy miankina: Manapotika ny fampianarana sy ny taranaka malagasy
La gazette de la grande île
15/09/2026•54 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5833681
Your IP Address: 82.229.38.158
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





