Fanoherana ny famindràna ireo mpitatitra hiala ao amin’ny fasan’ny karana ho eny amin’ny gare routière Amoronankona no ambaran’ireo mitonona ho mpitatitra ho antony apahan’izy ireo ny RN7 eo Ambatofotsy (fandorana kodiarana, fitaomana vato be ary vatan-kazo, sns), kanefa toa mamofona laoranjy ilay hetsika, misy dian-tanàna mampiahiahy.
Firy taona no nisian’io toby fiantsonana Fasan’ny karàna io fa loto, fotaka, savoritaka, harom-paosy, sinto-mahery no nianan’ny mpandeha.
Misokatra ny gare routière eny Amoronankona, noezahana mba ho mendrika izany asa Fitaterana izany. Rehefa miresaka hoe Fitaterana dia ny Mpandeha no zava-dehibe voalohany indrindra. Izany hoe, ny fanomezana fahafaham-po ireo Mpandeha no tokony ho laharam-pahamen’ny mpitatitra fa tsy ireo mpanera sy mpivarotra akory. Mendrika ireo Mpandeha ve ny zava-misy eo amin’ny Fasan’ny karàna?
Fa angaha moa eny Ambatofotsy RN7 no misy ny gare routière Amoronankona koa nahoana no notapahana ny lalam-pirenena vao vita tsara? Tena mpitatitra daholo ve ireo olona manakan-dalana ireo?
Mamofona ambadika politika maloto ity raharaha ity ary azo ambara mihitsy fa misy dian-tànana laoranjy.
Tsy maintsy hizorana ny Fanavaozana ary voalohany tokony hanaovana izany ity tontolon’ny Fitaterana ity. Firy izay aina nafoy vokatry ny lozam-piarakodia ataon’ny mpitatitra, ny fahasimbam-panànana, sns.
Nozarina sy norebirebena tao anatin’ny baranahany ny olona nandritra ny fitondrana Rajoelina hany ka lasa mandà izany hoe fanatsarana sy ny lamina izany.
Tsy maintsy mizotra amin’ny Fanavaozana ny firenena ka aoka tsy ho mpanao politika laoranjy mialokaloka ao ambadiky ny hoe mpitatitra no hisakana ny Fanavaozana.
Hetsika RN7 Mamofona laoranjy
La gazette de la grande île
15/09/2026•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5833580
Your IP Address: 102.68.192.80
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





