Loza mitatao no azo handikana ny tatitra vokatry ny fitsirihana ny barazin’i Beboka. Tsy manaraka ny fenitra amin’ny asa vaventy ny fitantanana sy ny akora nampiasaina nanamboarana ity tohadrano goavana ity. Vola manodidina ny 12 miliara Ar nefa no efa lasan’ny orinasa niantoka ny fanamboarana azy, izany 100%.
Ilay teratany italiana, Michèle Franchi, vadin’i Brigitte Razaka no nahazo ny tolotr’asa, tamin’ity tetik’asa ity. Tsy zoviana amin’ny mpanara-baovao moa i Brigitte Razaka, izay niray petsapetsa tamin’ny fitondrana Rajoelina, indrindra fa i Naina Andriantsitohaina sy Mamy Ravatomanga. Tsy eto Madagasikara irery ihany fa misy raharaham-pitsarana momba azy koa any Angletera.
Mila mandray fanapahan-kevitra matotra manoloana ity loza ity mitatao ity ny fitondram-panjakana, ndrao sanatria ka ho lasa tahaka ny zava-nitranga tany Népal ny volana aogositra lasa teo.
Ho avy tokoa mantsy izao ny fahavaratra sy ny vanim-potoanan’ny rivodoza.
Barazin’i Beboka: Ndrao ho lasa Népal?
La gazette de la grande île
16/09/2026•40 second read

Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5834170
Your IP Address: 82.232.174.96
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





