Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fitondrana Rajoelina: Nifamono anaty

La gazette de la grande île
25/09/2026•2 minute read

Tonga ny fotoana hilazana ny marina manodidina iny fitondrana Rajoelina sy IRMAR iny. Nifamono anaty tao anaty fitondrana tao izy ireo. Tsy faharesen-dahatra ara-poto-kevitra fa firaisana tsikombakomba noho ny bizna ranofotsiny. Tonga ny tsotsori-mamba nisarahana satria tsy nifampatoky intsony ka nifamingana sy nifamotika.
Ny La Gazette de la Grande Ile no namoaka voalohany indrindra ny raharaha mikasika ny zom-pirenena frantsay izay nangatahan-dRajoelina ho azy sy ny vady aman-janany. Ravatomanga Mamy no nanome io antontan-taratasy io ary nampamoaka izany tamin’ny gazety La Gazette.
Mazava ho azy izany fa efa niketrika hamotika an-dRajoelina i Mamy Ravatomanga izay efa nanangana ny AFF ary koa namatsy vola ny IRAMR, UPAR ary ny TGV.
Nifanojo indrindra tamin’ny vanim-potoana hiatrehana ny fifidianana ny nivoahan’iny raharaha 8 cm iny.
Mazava araka izany fa nikasa ny hipaka ny ranjon’i Andry Rajoelina i Mamy Ravatomanga ary ireo mpiara-dia taminy.
Mamy Ravatomanga sy Naina Andriantsitohaina nefa no niketrika ny famotehana ny La Gazette ary nampiasa an’i Brigitte Razaka izay niketrika ihany koa ny fakàna ny tany sy ny fananan’i Lola Rasoamaharo.
Tokony ho fantatry ny TGV araka izany fa Ravatomanga Mamy no fahavalon’izy ireo voalohany fa tsy ny vahoaka Malagasy izay nitaky ny fampitsaharana ny fitondrana Rajoelina, nampahantra ny firenena sy nangeja ny olom-pirenena.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top