Iny horonantsary mirakitra ny fitrandrahana volamena tany Maevatanana iny dia mbola manamafy ny voalaza teto fa tsy foto-kevitra fampandrosoana ny firenena no nampikambana ireo IRMAR sy TGV teto fa bizna. Ny depiote Ninah, lohan’ny mpisorona TGV Mahajanga no tratra tamin’izany.
Niova tanteraka mihitsy ny fomba fanaovana politika nanomboka ny taona 2009 niakaran’i Andry Rajoelina teo amin’ny fitondrana. Mpanao bizna avokoa no nameno ny sehatra politika. Trafika sy halatra no nanjaka hatramin’ny fifidianana dia mbola halatra sy hosoka daholo.
Novidiana tamin’ny alàlan’ny koveta, tee-shirt ary vola 10.000 Ar ny vaton’ny mpifidy noho ny fahantrana lalina. Tsy mahagaga ny fananan’ireo IRMAR sy TGV vola. Ohatra iray amin’izany ity fitrandrahana volamena an’i Ninah TGV Mahajanga ity. Ankoatra izany ireny 3000 miliara Ar mahery nambaran’ny « Cour des comptes » ireny. Tafiditra amin’io halatra sy fanodinkodinana volam-bahoaka io avokoa ny IRMAR, UPAR, TGV, FREEDOM, AFF.
Fitondrana Rajoelina: Fikambanana mpanao bizna
La gazette de la grande île
30/09/2026•41 second read

Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5847147
Your IP Address: 82.232.174.96
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





