Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Jly Ravalomanana- Marie Michèlle: Nilaozan-dRajoelina sy Ntsay

La gazette de la grande île
30/09/2026•32 second read

Nivoaka ny didim-pitsarana, 5 taona sazy mihatra no azon’ny minisitra teo aloha Marie Michèlle Sahondrarimalala. 10 taona araka ny efa fantatra no azon’ny jeneraly Ravalomanana Richard.
Nilaozan-dRajoelina sy Ntsay ireto olona roa izay niasa mafy tamin’ny fiarovana ny fitondrana TGV. Navelan’izy ireo rehefa may volon-tratra kanefa dia nampiasan-dRajoelina sy Ntsay tamin’ny sehatra maro ary raha ny mikasika an’i Marie Michèlle manokana dia tsy maintsy nisy dian-tanan-dRajoelina sy Ntsay ny halatra maha voasaringotra azy.
Tsy mba isan’ireo misazy eto an-tanindrazana kosa ry Naina Andriantsitohaina (tafavoaka an’i Madagasikara nandritra ny naha praiminisitra an’i Herintsalama Rajaonarivelo) na dia tsy takona afenina intsony ny halatra be vava amina miliara tao amin’ny CNAPS.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top