Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Amoron i Mania : Miverina indray ny halatr’omby sy ny fakana-dalana

La gazette de la grande île
01/10/2026•51 second read

Tao anatin’ny telo volana lasa iny dia nanomboka indray ny fangalarana omby ato amin’ny distrika telo ato amoron’ i Mania, dia Ambositra, Ambatofinandrahana ary Manandriana. Ny taona 2023, efa no nahitana halatr’omby sy asan-dahalo iny toerana iny. Nilamina tanteraka ny vahoaka ka afaka nanao ny asa fivelomana. Mihamaro izany halatra izany ny taona 2026 ity ka manomboka miahiahy ny fitondrana Fanavaozana ny mponina ankevitriny satria hamerina indray ny tsifandriampahalemana izay nampalaza ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina sy Andry Nirina Rajoelina iny.
Ny fanafihana fiarakodia ao amin’ny lalam-pirenena faha fito avy ao Ambositra sy Ambohimahasoa dia efa miverina tsikelikely indray tato anatin’ny roa volana koa izay.
Manampy ireo olana amin’ny tsifandriampahalemana ireo dia manomboka mipoitra indray ny antsoina hoe Ambalavelona na adala kely mitranga eny anivon’ny sekoly toa ny nitranga tao amin’ny CEG Ilanitra Ambositra ny herinandro ity ka naha lasa adala kilonga mpianatra dimy. .
Manomboka miahiahy ny fitandroana ny fandriampahalemana ny vahoaka aty Amoron’i Mania ka tokony hijery akaiky izany ny fitondrana Fanavaozana tarin’ny Kolonely Mickael Randrianirina ity mba hahazo ny fon’ny vahoaka.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top