Mimenomenona ny mpampianatra manerana ny Nosy nohon’ny fanovana ny rafitry ny fampianarana manomboka ny taona 2026-2027 ity.
Marobe ny resaka mandeha izay nataon’ny sekoly katolika sy ireo sekoly tsy miakina manerana any Madagasikara. Tampoka tsy misy dinika tsy misy era ny fanapahan-kevitra noraisin’ny minisitry ny fampianarana. Ny mpampianatra amin’ny sekolim-panjakana moa dia tsy mahasahy mihetsika sy maneho hevitra ampahibemaso fa matahotra na dia tsy faly aza. Mihatsara ivelan tsihy izy ireo. Mikorontana ny tontolon’ny fanabeazana noho izany.
Nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ny mpanabe izay nankalazana ny alatsinainy faha 5 oktobra 2026 teo teto Madagasikara dia tao izao no navaokan’ny mpanabe ireo : tsy ny fanovana no tsy mety na ratsy fa ny fomba nentina hanatanteraka azy no olana, tsy ampy ny fanentanana sy ny fanofanana.
Tompon’andraikitra amin’izany ny minisitry ny fampianarana ankehitriny. Tena tsy mahay mitantana hoy ny mpampianatra. Efa olana ny tsy fahampian’ny fanofanana ny mpampianatra fa indrindra ireo « maitre fram ». Mbola olana hafa koa ny fampiasana ny anterineto sy ny nomerika ahazahoana ireo fanovana ireo. Voatery tsy maintsy mividy ny fa fandaharana any « cyber café » izay mandany volabe. Ary mbola olana lehibe indrindra ny fandraisana ny tiana hahatongavana amin’izany fanovana izany. Natao tery vay manta ny fanovana ka tsy maintsy hisy fiatraikany any amin’ny fanabeazana sy ny fampianarana io.
Mampihena tsikelikely ny fitiavan’olona ny fitondrana Fanavaozana izany ary misy fiatraikany any amin’ny Filoha Michael Randrianirina. Mila mitandrina ireo minisitra ireo fa manipy hoditr’akondro nohon’ny tsy fahaizana.
Fanovana ny rafitry ny fampianarana : Tsy ampy fanentanana sy fanofanana ka niteraka olana
La gazette de la grande île
08/10/2026•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5855542
Your IP Address: 174.115.20.148
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





