Mila ovaina ny fomba fitantanana ny Firenena.
NY MANAO DIA TSARA. FA NY MANAO IZAY TENA MANOVA NY FIAINAN’NY VAHOAKA NO TSARA KOKOA.
Tao anatin’ny andro vitsivitsy izay, dia nanolotra ny tatitra momba ny asa natao tato anatin’ny volana vitsivitsy ny tompon’andraikitra ao amin’ny Governemanta.
Nisy ny fanapahan-kevitra noraisina. Nisy ny tetikasa natomboka. Nisy ny vokatra nambara. Tokony ho ekena sy hojerena izany.
Saingy mbola misy fanontaniana lehibe :
Inona marina no fiovana tsapan’ny ankamaroan’ny Malagasy eo amin’ny fiainany andavanandro ?
Satria tsy ny isan’ny fanapahan-kevitra noraisina na ny isan’ny tetikasa vita ihany no tokony handrefesana ny tena vokatra.
Fa tokony ho hita koa izany amin’ny asa vaovao misy, ny fidiram-bolan’ny olona mihatsara, ny fahazoana rano sy herinaratra, ny kalitaon’ny tolotra omen’ny Fanjakana ary ny fahafahana vaovao ho an’ny tanora.
Ankehitriny, mila mpitondra mahay mamadika ny fanapahan-kevitra ho vokatra hita maso sy maharitra i Madagasikara. Tena mizotra mankany amin’ny fanovana ny toekarena, fampandrosoana ny faritra ary famoronana asa ve isika ? Sa mbola miverimberina ihany ireo olana efa niainantsika hatramin’izay, na dia eo aza ny ezaka atao ?
Tsy ny hoe manao fotsiny intsony no fanamby. Fa ny manao izay tena mitondra fiovana eo amin’ny fiainan’ny Malagasy.
Hevitra iray ho tombontsoan’ny faharanitan-tsaina iombonana.





