Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Depiote Mpikarama fa tsy solombavambahoaka intsony

La gazette de la grande île
10/11/2026•2 minute read

Vitsy dia vitsy sisa no depiote mamonjy fivoriana ao amin’ny lapam-panjakana ao Tsimbazaza ao amin’izao fivoriana ara-potoana faharoa amin’ny taona 2026 izao. Azo lazaina fa tsy politika intsony no ataon’ireo fa mpikarama sisa no maha solombavambahoaka azy. Ny vola sy ny aferafera sisa no mibaoko azy ireo. Raha toa ka andrimpanjaka voalohany amin’ny fanaovan-dalàna ny Antenimierampirenena, izay fototry ny lalàna sy ny fampandrosoana ny firenena. Lanilaniana fahatany ny lalàna izay dinihina. Tsy ahitana izany adihevitra sy fandinihina ireo tolo-dalàna sy volavolan-dalàna tonga ao amin’izy ireo . Ohatra akaiky amin’izany ny lalàna momba ny kolikoly, ny HCJ,  ny lalàna manokana mifehy ny mpitondra ambony dia ny filohan’ny andrimpanjaka sy ny mpikambana ao amin’ny governemanta ary ny depiote izay tsy maty manota. Santionany ihany ireo fa maro no azo lazaina momba ny tsy firaharahan’ny depiote ny vahoaka nifidy azy. Ny fiadiana ny hahazo « assistant parlementaire  » marobe hahazoana vola no misy, nefa dia tsy hita izay tena ilana ireo olona ireo fa mandany volam-panjakana fotsiny. Misandoka ny fahefan’ny depiote aza no maro amin’izy ireny.
Ankehitriny dia mikarama sisa no ataon’ny. depiote ka mpanao  » oui, oui » fotsiny sisa no ataon’izy ireo. Mpisolelaka amin’ny Filoham-panjakana sisa. Tsy mahahagaga raha toa ka mangataka ny fanafoanana na fanoloana io andrimpanjakàna io ankamaroan’ny olona amin’izao fotoanan’ny Fanavaozana izao

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top