Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fitafy malagasy Sady tsy malagasy no tsy vazaha

La gazette de la grande île
17/11/2026•2 minute read

Manahirana ihany ny mahita ny fitafin’ny malagasy izay nampanaovin’ny Ffitondrana Fanavaozana izay tarihin’ny Colonel Michael Randrianirina. Amin’ny fijery tsy miangatra sy tsy mitanila no iarahana mahita fa sady tsy fitafy malagasy no tsy fitafy vahiny no lasa nataon’ny mpiasam-panjakana ankehitriny rehefa tonga ny zoma fa akanjo zafindraony indray no nataon’ny ankamaroany. Tena mahavalalanina mihitsy ny fomba fisainan’ny malagasy. Milaza ho saro-piaro amin’ny maha malagasy azy nefa rehefa ampanaovana ny fitafy tena maha malagasy azy dia tsy manaraka izany fa zavatra hafa indray no ataony. Tsy vitan’izany fa mamoromporona zavatra hafa te hampisongadina azy manokana indray.
Jereo ireo olona avy amin’ny firenena hafa fa tonga dia fantatra amin’ny fomba fitafiny. Ny Afrikanina, ny Arabo, ny Karana , ny Sinoa, ny Jiosy sy ny Eoropeanina, fa raha vao tazana dia fantatra avy hatrany.
Tsy fitafy malagasy no ataon’ny akamaroan’ny mpiasam-panjakana io fa zavatra hafa vaovao..Mahamenatra!
Milaza ho malagasy nefa rehefa ampanaovana ny fomba malagasy dia mamorona zavatra hafa indray.
Azo lazaina fa fotokevitra lehibe sady tsara ny fanomezana hasina ny fiverenana andoharano toa izao. Tsy fitafy ihany no tokony hiverenana fa ny fomba sy ny soatoavina malagasy ary ny fahendrena sy ny fifankatiavana nisy teo amin’ny Razantsika fahiny. Iza moa no tsy nidera izany izao tontolo izao ?
Ny firenena mandroso dia manaja sy mitazona ny fomban-drazany ka mahay mampifanaraka izany amin’ny filàna ankehitriny toa ny firenena Sinoa sy Karana ary Japone….
Tokony hahay handray ny fisainan’ny Colonel Michael Randrianirina izay mampiverina ny malagasy andoharano sy tena fotompisainana maha malagasy izao ny vahoaka.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top