Ny lalàna malagasy dia milaza mazava tsara fa ny olona rehetra izay manodikodina volam-panjakana dia tsy maintsy anaovana famotorana sy mandalo fitsarana avokoa ankoatran’ny filohan’ny andrimpanjakana sy ny mpikambana ao amin’ny governemanta. Ny filohampirenena, ny filohan’ny antenimierampirenena, ny filohan’ny antenimierandoholona, ny filohan’ny HCC (fitsarana avo momba ny lalampanorenana), ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta ary ireo minisitra rehetra.
Toa izao no voalazan’ny »conseil de discipline budgétaire et financière » na ny CDBF tamin’ny 2018-2019 raha nanao tatitra tamin’ny vahoaka malagasy mahakasika ny asany mikasika ny fanodikonam-bola teo anivon’ny asam- panjakàna: ireto ihany no azony atao fanadihadiana sy gadraina raha manao fanodikodinana volam-panjakana dia ny DG, ny directeur, ny PRMP , ny cadre, ny Préfet ary ny Maire.
Voalazan’ny lalàna malagasy araka ny tatitra nataon’ny CDBF ity fa » la loi prévoit que. toute personne ayant commis une faute relative aux régles de gestion budgétaire et financière peut être traduite devant le CDBF, à la seule et unique exception des chefs d’institution et des membres du Gouvernement »
Ny lalàna dia milaza fa ny HCJ na ny fitsarana avo dia napetraka ara-dàlana tamin’ny taona 2018 dia lasa nasiana ny depiote indray no manome alalana ny fitsarana avo vao izay vao mahazo mpanao fanadihadiana ireo mpitondra ambony ireo . Io no sakana tsy nanaovana fanadihadiana ny mpikambana n’y governemanta izay efa nataon’ny fitsarana izay misy « dossiers » miisa 12. Azo lazaina fa fomba voazakana an-kolaka ny hitsarana ny mpitondra ambony . Tsy miasa ny HCJ hatramin’izao.
Midika izany fa na inona na inona tenenina momba ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara raha tsy miova ny lalàna dia resaka adala ihany izany
Ady amin’ny kolikoly Ovay ny lalàna momba ny tsy azo anenjehana ny filohan’ny andrimpanjakana sy ny mpikambana ao amin’ny governemanta
La gazette de la grande île
19/11/2026•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5907275
Your IP Address: 107.167.122.21
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »




