Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

RY MALAGASY MPIRAY TANINDRAZANA, SAO DIA VERY LALANA KA ADINO FA NY RARINY NO FOTOTRY NY FITOKISANA !

La gazette de la grande île
22/11/2026•5 minute read

« Mila lalàna ny fiaraha-monina mba hilamina. Fa mihoatra noho izany, mila olona mahatsiaro tena sy mahay manavaka ny marina sy ny diso isika, mba tsy hivadihan’ny lalàna ho fitaovana hanaovana ny tsy rariny. »

Misy zavatra tokony hampieritreritra antsika Malagasy amin’izao fotoana izao.

Toa lasa mibahana ny sain’ny olona sy ny resaka andavanandro ny raharaha eny amin’ny fitsarana : fiampangana, fifanolanana, fifamaliana, fanambarana samihafa, ary ny fampitana mivantana ny fotoam-pitsarana amin’ny haino aman-jery.

Anisan’izany ny raharaha mahatsiravina momba ny fanapoizinana tany Ambohimalaza, izay nahafatesana olona maro.

Mazava ho azy fa tsy maintsy fantarina ny marina. Manan-jo hahalala ny zava-nitranga ny fianakavian’ireo namoy ny ainy. Tsy maintsy fantarina izay tompon’andraikitra ary ampiharina ny lalàna raha voaporofo ny heloka.

 Moa ve isika tena mitady ny marina sy ny rariny, sa lasa mijery seho fotsiny ka variana amin’ny tabataban’ny raharaha eny amin’ny fitsarana ?

Tsy ratsy ny mangarahara. Tsy ratsy koa ny fampahafantarana ny olona ny fizotry ny raharaha. Saingy tsy tokony hafangaro amin’ny fampisehoana sy ny fitadiavana resabe izany.

Tsy midika ho fahamarinana akory ny zavatra be mpijery. Tsy porofo ny resaka be miparitaka. Ary tsy tokony ny hatezeran’ny olona no hamaritra izay meloka na tsy meloka.

Mampanahy anefa fa mihamaro ny Malagasy very hevitra : iza no inoana ? Aiza no misy ny marina ? Mbola mahaleo tena ve ny fitsarana ? Mitovy ve ny fampiharana ny lalàna amin’ny olona rehetra ?

Tandremo fa REHEFA LASA FITAOVAM-PIFANDRAISANA NY RAHARAHAM-PITSARANA sis mety zavadoza!

Tokony hotadidintsika fa tsy natao hanaovana fampielezan-kevitra ny fitsarana. Tsy natao hamaliana faty na handaminana adin’olona sy adim-pahefana.

Ny asan’ny fitsarana dia ny mikaroka ny marina, mandinika ny porofo ary mampihatra ny lalàna amim-pahamarinana.

Tsy tokony hisy olona hoheverina ho meloka raha tsy mbola voaporofo izany. Tsy tokony hisy koa olona ho voaro satria manana fahefana, vola na olona ambony miaro azy.

Tokony hitovy ny rehetra eo anatrehan’ny lalàna.

Tsy tokony hisy rariny ho an’ny sasany, fa tsy rariny ho an’ny hafa.

AZA AELIN’NY TABATABA NY TENA TANJON’NY “Refondation “

Ny Refondation dia natao hanarenana ny firenena sy hamerenana ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny fitondrana ary ny andrim-panjakana.

Tsy tokony hiafara amin’ny raharaha eny amin’ny fitsarana, fifampitoriana, fifampihantsiana sy fifampanomezan-tsiny fotsiny anefa izany.

Mbola miandry vahaolana ny olana lehibe mianjady amin’ny vahoaka : ny fahantrana, ny tsy fananan’asa, ny fidangan’ny vidim-piainana, ny kolikoly, ny tsy fitoviana, ny fahalemen’ny asam-panjakana ary ny tsy fisian’ny asa sy ny fanantenana ho an’ny tanora.

Tsy tokony ho variana amin’ny resaka sy ny adihevitra tsy misy fiafarany isika ka hanadino ireo olana tena miantraika amin’ny fiainan’ny Malagasy isan’andro.

Tsy milaza fa misy olona minia manodina ny sain’ny vahoaka. Saingy rariny raha mametraka fanontaniana : Tsy sao dia ny tabataban’ny raharaha samihafa no lasa mibahana ny sain’ny olona, ka hadino tsikelikely ireo fanovana tena andrasan’ny vahoaka ?

Ny Refondation dia tsy natao hanonganana olona fotsiny, na hanasaziana ny sasany sy hiarovana ny hafa. Ny Refondation dia Natao hanovana ny fomba fisainana, ny fomba fitantanana ary ny fomba fiasan’ny firenena.

TSY AMPY NY LALÀNA RAHA TSY MISY NY FAHAMARINANA AO ANATIN’NY OLONA

Matetika isika no mihevitra fa raha manova lalàna sy manangana rafitra vaovao dia ho voavaha ny olana rehetra.

Tsy ampy anefa izany.

Mila olona manao ny asany amim-pahitsiana isika. Mila mpitsara sahy mijoro amin’ny marina, na iza na iza voakasik’izany. Mila mpitondra manaiky fa tsy ambonin’ny lalàna. Mila mpanao gazety manavaka ny vaovao marina sy ny resaka mampiredareda ny hatezerana. Mila olom-pirenena tsy maika hitsara olona noho ny tsaho na ny fihetseham-po.

Satria tsy ny fananana fahefana no maha-olona marina, ary tsy ny fananana lalàna no midika fa misy rariny.

Ny lalàna dia tokony hiaro ny olona, fa tsy hampitahotra azy. Ny fitsarana dia tokony hampanjaka ny marina, fa tsy hanampy trotraka ny fisaratsarahana.

NY “Refondation” DIA TOKONY HANOMBOKA AMIN’NY FANARENANA NY SAINA SY NY FITOKISANA

Tsy ny isan’ny olona voampanga na ny hamafin’ny sazy no handrefesana ny fahombiazan’ny Refondation.

Fa ny fahafahan’ny Malagasy matoky fa misy ny rariny, fa voaaro ny tsy manan-tsiny, fa saziana ny tena meloka rehefa voaporofo ny helony, ary tsy misy olona ambonin’ny lalàna.

Mila mamerina ny hasin’ny fitsarana isika. Mila mamerina ny fahatokisan’ny vahoaka amin’ny andrim-panjakana. Mila mianatra mihaino, mandinika ary mitady ny marina, fa tsy mora entin’ny hatezerana sy ny tabataba.

Koa aza avela ho voasariky ny resabe isika ka hanadino ny tena adidy lehibe miandry ny firenena.

Tsy amin’ny tabataba no hanarenana an’i Madagasikara, fa amin’ny fifampitokisana. Tsy amin’ny tahotra no hampanjakana ny rariny, fa amin’ny fanajana ny lalàna. Ary tsy amin’ny fanovana rafitra fotsiny no hahombiazan’ny Refondation, fa amin’ny fanovana ny toe-tsaina sy ny fieritreretan’ny tsirairay.

Satria ny tena Refondation dia tsy ilay be resaka sy be tabataba indrindra, fa ilay hahatonga ny Malagasy hahatsapa indray fa misy ny marina, misy ny rariny ary mbola azo antenaina ny hoavin’ity firenena ity.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top