Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Antananarivo Renivohitra : Mihisatra ny fanamboaran-dalana

La gazette de la grande île
06/05/202355 second read

Ny talata lasa teo no nidina ifotony nijery ny fizotran’ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo Renivohitra ny minisitry ny Asa vaventy, ny kolonely Andrianatrehina Ndriamihaja Livah, ny governoran’ny faritra Analamanga Rasoaromaromaka Hery sy ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina na i Naina varira. Ny fizotran’ny asa eny Ambodin’Isotry sy Ankadimbahoaka mivoaka eny By Pass no notsidihan’izy ireo tamin’izany. Nanamafy ireo tompon’andraikitra telo ireto fa efa ny ministera, ny faritra ary ny kaominina mihintsy ankehitriny no miara-misalahy amin’ny fanamboarana ny lalana eto Andrenivohitra.

Ny zavatra tsikaritra amin’izao fotoana dia mihisatra ny fanamboarana ny lalana eto Antananarivo na efa rafi-panjakana telo tonta be izao aza no miara-miasa. Mbola ny eny Ankadimbahoaka sy Ambodin’Isotry ihany mantsy hatreto no hasiam-panamboarana kanefa maro ny lalana tokony harenina haingana satria miteraka fitohanan’ny fiara be loatra, raha tsy handray ohatra ny eny Behoririka, Tsenan’Anosibe, Ambohipo, sns sns. Ny zava-misy koa etsy ankilany, manamboatra ny eny Ankadimbahoaka sy Ambodin’Isotry ny fanjakana sy ny kaominina fa ny amin’ny toeran-kafa miha simba hatrany noho ny rotsak’orana mbola misy amin’izao fotoana.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top