Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fampidirana miaramila 4 000 : Zana-dambo andiany faharoa no mitranga

La gazette de la grande île
15/05/20233 minute read

Araka ny fambarana nataon’ny etamazaoro ny Tafika Malagasy izay nivoaka tamin’ny volana may 2023 ity dia hisy ny fandraisana miaramila vaovao miisa 4 000 izay hataon’ny fitondrana Andry Nirina Rajoelina amin’ity taona ity. Tamin’ny fotoana nivoahan’ny vaovao tamin’ny haino aman-jery isan-karazany dia mbola samy nangina avokoa ny mpanaraka ny raharaham-pirenena. Ny nahagaga tamin’ny fanambarana iny koa dia ny nilazana fa haharitra 2 taona ny fotoana hitazonana azy ao amin’ny Tafika Malagasy. Voalaza ihany koa fa tsy handray karama izy ireo mandritra izany fotoana izany. Ny sakafony ihany no hifantohan’ny fanjakana raha ny vaovao nalefan’ny etamazaoro tamin’ny fotoana iny.
Iaraha-mahalala fa tafiditra an-katerena ny vola ao amin’ny tahirim-bolam-panjakana. Tsy mahavoaloa ny vola ny mpandraharaha sy ireo orinasa an’arivony maro izay nanao ny tsenam-panjakana efa ho 3 taona izao. Tsy tenenina intsony ny mahakasika ny fampandehanana ny raharaham-panjakana. Tsy ampy intsony ny vola hampiodina ny fampandehanana ny raharaham-pirenena. Nefa dia izao mbola hampidirana miaramila 4 000 izao indray. Iarahana mahalala koa fa mampiditra polisy sy zandary miisa hatrany amin’ny 3 000 isan-taona ny fanjakana malagasy. Koa hatao inona indray miaramila 4 000 hanampy ny foloalindahy amin’izao fotoana izao?
Ny fantatra koa dia nisy basy sy bala niditra avy any amin’ny seranan-tsambon’ny Toliara eto Madagasikara tao anatin’ny volana vitsivitsy izay. Mandeha dia mandeha ny resaka fa efa tonga eto Antananarivo koa ny sasantsasany amin’ireo fitaovana ireo. Nisy ihany koa ny filazana izany tamin’ny haino aman-jery sasantsasany teto amin’ny firenena ny amin’ny fisian’ny basy sy fitaovana sy bala ireo tato ho ato.
Dia ahatsiarovana ny zana-dambo tamin’ny fifidianana tamin’ny taona 2001-2002 izay natsangan’ny Ravalomanana Marc izao zavatra mitranga ankehitriny izao hifamonoan’ny malagasy ary hiadian’ny samy miaramila. Ny fisian’ny basy sy bala ary ny fitaovam-piadiana maro niparitaka tany atsimo ka nahatonga ny fifamonoana tany ireny ka niafara tamin’ny raharaha Remenabila hatramin’ny taona 2013-2016. Nifanafika ny malagasy ka olona an’arivony maro no maty nanomboka ny taona 2001.
Raha jerena koa ny fiparitahan’ny rongony maherivaika vahiny ny antsoina hoe  » roro » izay sokajiana amin’ny cocaïne ihany koa dia toa firenena omanina amin’ny ady izany ny malagasy. Misy dikany avokoa ireny ary azo lazaina fa idan’ izao politika sy fifidianana hatao izao avokoa. Ny mpahay ady iraisam-pirenena dia milaza fa atahorana mafy ny hisian’ny ady an-trano eto Madagasikara amin’izao fotoana izao satria dia efa miseho eto avokoa ny fambara ny amin’izany ankehitriny. Ankoatran’ireo rehetra ireo dia efa tonga eto ny milisy sovietika  » Wagner  » ankehitriny ary nanamarina izany ny televiziona France 24 tamin’ny herinandro lasa iny.
Akaiky dia akaiky ny fifidianana ary mihamafy andro aman’alina ny fifandonana eo amin’ny fitondrana tarihin’i Andry Nirina Rajoelina sy ny mpomba azy ary ireo fikambanana sy antoko pôlitika maro izay tsy mankasitraka izao fitondrana izao itsony. Tsy mifampihaino intsony ny roa tonta. Araka ny voalaza ery ambony dia efa misy ny mikarakara milisy na zana-dambo hiarovana na hitazonana fahefana eto Madagasikara ankehitriny. Mampatahotra ny seho misy ankehitriny noho ny politika maloto sy ny fitiavan-tena sy fahefana ary fitiavan-tena. Sanatria ve dia ny ady misy any Somalie sy Tchad ary Soudan no hitranga eto Madagasikara afaka volana vitsivitsy noho ny politika sy ny fifidianana ity? Samia mandinika fa ratsy ary tsy mendrika ny malagasy izany.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top