Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Tambin-karama tsy voaloa lavareny : Minisitra tsy ampy traikefa

La gazette de la grande île
15/05/20233 minute read

Vary mangatsiaka tsy mety foana , ary tsy ahitan’ny minisitra mpiahy izay mifandimby ny vahaolana amin’ny tsy fandoavana ny tambin-karaman’ireo mpampianatra ara-potoana. Lavareny ny fitakiana mandavataona manerana ny Oniversite eto Madagasikara. Ny mpitondra fanjakana foibe dia manana andraikitra goavana, ary mifamatotra andraikitra amin’izany indrindra ny ao amin’ny minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny Toe-karena sy ny ministeran’ny Fampianarana Ambony na ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena.
Io fitakiana tambin-karama io dia tokony tsy hisy mihitsy. Matoa misy hatrany io dia ny fitantanana no ratsy tantana. Ka io no araraotin’ny mpampianatra hanohitohinana ny fampianarana amin’izany. Misy amin’ireo mpampianatra no manao politika politisiana ka lasa manakorontana ny fampianarana hizotra ara-dalàna. Nahoana raha mamono taona iray hanaovana io fitakiana io, ary tsy hamelana raha tsy voaloan’ny fanjakana daholo ny trosa tsy voaloa. Ny fanjakana koa fetsy dia miantso mpampianatra hafa izay tambazana hanao ny asan’ireo mitaky ny tambin-karama tsy voaloa nanomboka ny taona 2016 no mankaty. Zaran’ireo mpampianatra hafa ireo aza no manao ny asa satria manantena fa hisitraka tambin-karama rehefa vita ny asa manandrify ny baiko avy amin’ny minisitera.
Ho avy ity ny fanomanana ny fanadinam-panjakana ka ny tambin-karama 25 isan-jato no voalaza fa mbola vao naloan’ny fanjakana. Maro be ny fanontaniana mipetraka hoe ho taona fotsy? Miverimberina hatrany ny olana fitakiana ataon’ny mpampianatra eny amin’ny Oniversite toy ny eny Vontovorona. Voaelingelina hatrany ny mpianatra te hianatra manoloana izany, tsy mahagaga raha miroborobo ny Oniversite tsy miankina. Aleon’ny ray aman-dreny mihafy mampianatra ny zanany eny, toy izay hiaina grevy lava sy fitaintainana lava
Ekena misy ny ezaky ny fanjakana, fa ezaky ny zatra manao afo am-bilany kely. Ny mpianatra no mizaka ny lesoka, ary tsafa fa manimba ny tontolon’ny fampianarana ny ataon’ny minisitra mpiahy miteraka ny fitokonana. Ny lafin’ny fampianarana dia tokony atao vaindohan-drahahara toy ny finiavanareo mpitondra te hanandratra avo ny voninahim-pirenena ny tontolon’ny fanabeazana eto amin’ny firenena. Raha tiana handroso ny firenena dia ny ilàna fanatsarana hatrany lafin’io fanabeazana io. Singa iray ao anatin’ny fanabeazana ny fandoavana ny tambin-karama ara-dalàna. Tsy tokony ahitana fitakiana mandavataona izany satria zo fototra amin’ny valin-kasasarana ny tambin-karaman’ireny mpampianatra mpanabe ireny ry mpitondra fanjakana, indrindra ny minisitera voakasika izany. Aoka tsy hatao sorona amin’ny fanaovana politika ny zaza Malagasy eto amintsika. Ireo no hiantoka ny fampahombiazana sy ny fampandrosoana eto amin’ny firenena.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top